Ho fampihenana ny loza an-dranomasina sy hiadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, nahazo sambo haingam-pandeha avy amin’ny governemanta japone ny faritra Anosy. Tonga nanolotra izany tany Taolagnaro ny masoivohon’i Japon, Abe Koji, ny zoma lasa teo. Nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, notronin’ny governoran’ny […]
Taratra
Vovonana Pan-FFKM: “Hikaro-bahaolana hatrany”
Nanao fanambarana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana, tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, (Pan), sy ny avy amin’ny FFKM, teny Tsimbazaza, omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany fa hanohy ny asany ary mbola miantso ny rehetra ho amin’ny fifampidinihana ity vovonana ity. “Tsy hitsahatra ny hitady vahaolana hipetrahan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto […]
Fiahiahiana fanalam-baraka : nosamborina ny kandidà Paraina Auguste
Nosamborina, omaly, teny Ivato, ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohazonina eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) Anosy, ny tenany hatramin’ny omaly hariva. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nahazo ny taratasy fampiantsoana ity kandidà ity, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolakandro, omaly. Namaly ireo mpitandro filaminana […]
Tenisy sokajy vehivavy: misongadina i Madagasikara
Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana […]
SOMBIM-BAOVAO
Ampivoarina ny fahaizan’ny teknisianina any amin’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny 15 novambra ho avy izao, ao amin’ ny Stade Velodrome, Antsirabe, ny fiofanana « Stage d’Appui », ho an’ireo mpanazatra manana ny mari-pahaizana « Licence D » sy « Licence C » an’ny CAF, ao amin’ity ligim-paritra ity. Hotanterahina ny 19 novambra ho avy […]




