Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny olana eo amin’ny fahazoana ny kianja mitafo, hozaraina roa ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton. Hisantatra izany, ny an’ireo sokajy zandriny dia ny “junior” midina. Hotontosaina ny volana novambra izany. Any amin’ny volana desambra indray […]
Taratra
Federasiona malagasin’ny bisikileta : hikarakara « Tournoi de l’Océan Indien »
Mifarana izay ny taom-pilalaovana 2023, ho an’ny taranja Bisikileta. Marihina fa nahazo medaly alimo iray izy ireo nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Hisy fifaninanana iraisam-pirenena hatao ny taona 2024. Vita ny lalaon’ny Nosy 2023, nahazoan’i Madagasikara medaly alimo, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo. […]
TARATRY ny KANTO
«Festival Sar’nao». Amperiny tanteraka ny « Festival Sar’nao » andiany faha-14 ankehitriny. Ankoatra ny fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa momba ny varotra ana habaka, atao anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa miara-miaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ka ilaina ny mahafehy izany. « Diary Nofy ». Tanterahina rahampitso, eny […]
Madagascourt Film Festival : handray anjara amin’ny hetsika ireo vahiny
Nitombo hatrany ireo manam-pahaizana sy andrarezin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hitondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, […]
“Hasambarana iray felatanana” : hitondra teatra poetika i Nirihaja sy ny Volivolana
Amboaran-tononkalo, rakikira fihaino ary teatra poetika no indray mitambatra anatin’ny “Halo Project”. Indray ampahafantarin’ny mpanoratra Nirihaja sy ny Volivolana sabotsy izao izany. Teatra poetika. Raisina amin’izay fanagasiana izay aloha ny “théâtre poétique”, mandra-pisian’ny dikanteny malagasy. Endri-tseho tsy mahazatra firy, satria ny tononkalon’ny mpanoratra iray no lalaovina an-tsehatra toa ny teatra. […]




