Taratra

Famendrahana odimoka : olona maherin’ny 600 000 ho voaaro

Hafafy eny amin’ny rindrina amin’ny tokantrano maherin’ny 165 000 ny fanafody mamono moka amin’ity taona ity. Hotanterahina mandritra ny volana novambra manontolo izany amin’ny distrika ara-pahasalamana 5, izay nahitana trangana tazomoka betsaka. Olona maherin’ny 600 000 no ho voaaro amin’ny aretina tazomoka amin’ity ezaka ity. Anisan’izany ireo vehivavy mitondra vohoka […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alakamisy 14 desambra izao, ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Manentana ireo mpifankatia vonona hiroso amin’ny fanambadiana hampanara-dalàna ny tokantrano ny fiadidiana ny Tanàna. Tanjona ny ialana amin’ny tokantrano imaso. Tsy marin-toerana ny atmosfera ho an’ny telo andro manaraka eto Madagasikara. Hisy, araka izany, […]

IFR Ankadifotsy : mpianatra 400 lasa mpan’ako fandriampahalemana

Nanentana ireo mpianatra ao amin’ny IFR Ankadifotsy ny YESS Girls Movement-Mpanazava eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa “School bullying prevention toolkit”. Niompana amin’ny ady amin’ny herisetra an-tsekoly ny fanentanana. Mpampianatra sy ray aman-dreny ary mpianatra maherin’ny 400 no tonga mpan’ako fandriampahalemana taorian’ny hetsika. Hisoroka sy hampitsahatra ny herisetra eny an-tsekoly no […]

Fananahana ara-pahasalamana : tokony ho taranja ianarana any an-dakilasy

Niasa amin’ny faritra enina eto Madagasikara ny International Youth Alliance For Family Planning (IYAFP) nanomboka ny taona 2016. Efa-taona taty aoriana no nosantarina ny asa ao Boeny. Mifototra amin’ny fanomezana lanja ny hisitrahan’ny ankizy ny fandrindram-piterahana ny asa indraiketany sy manao adisisika amin’ny fampahafantarana ny lalàna momba ny fandrindram-piterahana laharana […]

Andramasina : nahazo milina hanodinana ovy ho lasa chips

Hamokatra chips hatramin’ ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao Andramasina, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ ny taninketsa indostrialy (ODOF). Tetikasa hanomezan-danja ny vokatra eny ifotony, hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra. Manodidina ny 25 000t isan-taona ny ovy mivoaka avy ao amin’ireo kaominina maro­maro ao anatin’ity distrika ity, toy […]