Taratra

Toe-tena entina mandra-pahafaty : 4 % amin’ny vahoaka malagasy no diabetika

Tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny antontanisan’ny olona diabetika satria mahatratra 500 tapitrisa izy ireo manerana an’izao tontolo izao. Ny fahazotoan’ny olona manao ny fitiliana no antony mahatonga ny fiakaran’ny antontanisa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ho an’i Madagasikara ma­nokana, 4 % amin’ny vahoaka malagasy no voan’ny aretina, raha ny tatitra navoakan’ny Organisa­tion mondiale […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety ny “Reporters Sans Frontières -RSF”. Nambaran’izy ireo fa am-polony ireo mpanao gazety niharan’ny herisetra tato ho ato ka anahirana ny hanaovan’ny mpanao gazety ny asany am-pilaminana sy tsy misy sakana. «Tokony hodinihana an-databatra boribory ny fototry ny olana. Mba hitadiavam-bahaolana maharitra, tsy hiverenan’ny […]

Firenena mikambana – Madagasikara: “Mahazo miroso amin’ny fifidianana”

“Matoa ry zareo mandefa mpanara-maso fifidianana ma­robe, ny dikan’izany: afa-mandroso amin’ny fanatanterahana fifidianana i Madagasi­kara”, hoy ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, i Yvette Sylla, taorian’ny fandraisany ireo masoivoho sy vondrona iraisam-pirenena teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny dingana fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika ra­hampitso. Anisan’ ny manampy an’i Madagasika­ra amin’ny fifidianana ny ONU, […]

Tongava mifidy !

  Zo sy adidy ny mandeha mifidy ! Mbola manana ny anio izay misalasala handeha handatsa-bato. «  Ny alina mitondra fisainana », hoy ny Ntaolo malagasy koa meteza hihaino ny feon’ny fieritreretana. Aza hadinoina fa io rahampitso io no hamaritra ny hoavin’ny Malagasy tsivakivolo ao anatin’ny dimy taona manaraka. Tsy ho an’ny […]