Taratra

Fanabeazana : nisitraka EPP vaovao ny mpianatra any Ambohitsimeloka

Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambo­hi­tsi­me­loka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’ antoka telo samihafa. Ny Wed­nesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Anko­ron­drano izany. Nahafahana […]

Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”

Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]

Mesupres-INSTN-AIEA: nanasongadina ny lentan’ny nokleary ireo tanora malagasy

Nankasitrahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ireo tanora 3 mianadahy nitondra avo ny voninahitr’i Madaga­si­ka­ra tamin’ny fifaninanana, nandritra ny fivoriambe andiany faha-67, ny “Agence internationale de l’énergie atomique” tany Vienne Autruche. Anisan’izany Andriampa­rany Koloina Valisoa , Ia­li­nomenjanahary Radonasolo Rodier , Rakotondrasoa Ma­he­nintsoa Stelly , samy taona faha-4 ao […]

Miora sy Ny Aina: avo lenta ny rindrambaiko noforonina ho an’ny orinasa

Rakotonjanahary Miora Irinah, 21 taona sy Rakoton­dramanana Ny Aina Ma­nan­kaja, 20 taona, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny ISPM no nisalotra ny diplaoma Licence, nahazo ny mention Très bien izy ireo rehefa nahazo ny naoty 19,70/20. Ma­ha­ka­sika ny informatika sy fifandraisana, sokajy elektronika, rafitra informatika….no nanao­van’izy ireo fanohanana ny voka-pikarohany. Natao […]