Manao hetsika fandraisana an-tanana maimaimpoana ny tomponandraikitry ny CHU Anosiala, amin’ny herinandro ambony, mandritra ny tontolo andron’ny alarobia. Fitsaboana no hataon’ny Malagasy mpitsabo sy ny Sinoa, dokotera manam-pahazaina amin’ny aretin’ny taolana sy ny vanin-taolana ary ny hazondamosina. Iantefan’ny hetsika koa ny fandidiana amin’ny ankapobeny, aretin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy (gynécologie). Manampy ireo […]
Taratra
Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina: 20 mianadahy ireo Peace-corps nanao fihanianana
Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy any ivelany taorian’ny valanaretina covid19, nampitsoaka azy ireo. 20 mianadahy indray ireo tanora amerikanina hiasa maimaimpoana eto Madagasikara. Ny alakamisy teo ireo 20 mianadahy mpilatsaka an-tsitrapo vaovao amerikanina no nanao fihanianana teny Mantasoa, fa vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Naharitra 10 herinandro […]
Covid-19: misy fisehoana ivelany ilay karazany pirola
Voatily ny volana aogositra tany Frantsa, ny karazana Covid-19 vaovao antsoina hoe pirola avy amin’ny Omicron ihany. Hafa mihitsy ny fisehoana satria hita mivantana amin’ ny hoditra (faritra mena) eo amin’ny tarehy ary koa amin’ny maso, araka ny fanazavan’ny mpitsabo, ny Dr Johannes Uys. Mety hiaraka aminy ny fisehoana mahazatra […]
«Ankiz’innov»: mpianatra amin’ny sekoly fito nifampizarana ny 5GLab
Nandray fahalalana momba ny fivoaran’ny niomerika mikasika ny “5G Lab” ireo mpianatra avy amin’ireo sekoly niomerika iarahan’ny orinasa Orange miasa eto Analamanga, ahitana ny EPP Ankorondrano, CEG Avaradoha, CEG Antanimena, CEG Ambohimanarina, CEG Analamahitsy ; Reverance Art School ; SMM DSF Ambohidratrimo, tamin’ity herinandro ity. Teny amin’ny “Tour Orange” Ankorondrano […]
Association Psy-kôzy: miantso fanohana amin’ny fametrahana ny foibe fanarenana “psychosocial”
An-jatony ny olona liana tonga nanatrika ny atrikasa momba ny fanarenana “psychosocial” nandritra ny hateloana teny Faravohitra, tamin’ity herinandro ity. Nikarakara ny atrikasa ny association Psy-kôzy misehatra amin’ ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara ary hamerina ny hasina maha olona eo amin’ireo olona itrangany. Nizara enina ny […]




