Manao hetsika fandraisana an-tanana maimaimpoana ny tomponandraikitry ny CHU Anosiala, amin’ny herinandro ambony, mandritra ny tontolo andron’ny alarobia. Fitsaboana no hataon’ny Malagasy mpitsabo sy ny Sinoa, dokotera manam-pahazaina amin’ny aretin’ny taolana sy ny vanin-taolana ary ny hazondamosina. Iantefan’ny hetsika koa ny fandidiana amin’ny ankapobeny, aretin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy (gynécologie). Manampy ireo ny tsindrona volamena tena mampiavaka ny fitsaboana tatsinanana ary mahasarika olona maro.
Tsy misy fisoratana anarana mialoha fa tonga eny an-toerana fotsiny amin’ny andro hanatanterahana ny hetsika. Sady fizaham-pahasalamana no fitsaboana avy hatrany no tontosaina miaraka amin’ny mpitsabo, araka ny fanazavana azo.
Tsy nametraka fetra amin’ny isan’ny olona horaisina ny tomponandraikitra fa afaka manatona avokoa ireo liana.
Seha-pitsaboana lafo sarany ireo ary tsy vitsy ny olona no tsy mahatakatra ny vidiny raha tsy manana fiahiana ara-pahasalamana avy amin’ny orinasa misy azy. Fanararaotra ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tahaka izao, indrindra fa manam-pahaizana no hisahana azy.
Miezaka manatona vahoaka ny tolotra fahasalamana amin’ny seha-pitsaboana samihafa toy ny fitetezana faritra miaraka amin’ny kamiao misy fitaovana sy fanafody.
Vonjy




