Covid-19: misy fisehoana ivelany ilay karazany pirola

Voatily ny volana aogositra tany Frantsa, ny karazana Covid-19 vaovao antsoina hoe pirola avy amin’ny Omicron ihany. Hafa mihitsy ny fisehoana satria hita mivantana amin’ ny hoditra (faritra mena) eo amin’ny tarehy ary koa amin’ny maso, araka ny fanazavan’ny mpi­tsabo, ny Dr Johannes Uys. Mety hiaraka aminy ny fisehoana mahazatra toy ny fanaviana, fivalanana, harerahana be… Tsy mampanahy miohatra
amin’ny karazana teo aloha ity pirola ity fa ilaina hatrany ny mitokana tsy mifampikasoka amin’ny hafa sy manao fitiliana fanamarinana fa mitondra ny tsi­mokaretina ilay olona. Any Sina, tsy voatery mameno ny an­tontan-taratasy filazana ny fahasalamany intsony ny mpivahiny hiditra any an-toerana na­nomboka ny fiandohan’ny volana.
Eto amintsika, betsaka ny olona voan’ny gripa amin’izao fotoana izao na efa dify ela aza ny vanim-potoana ririnina. Ny fiovan’ny toetr’andro no mitarika ny valanaretina ankehitriny. Manana ny fitaovam-pitiliana ny Covid-19 sy ny aretina tazomoka ny CSB sy ny hopitaly.

Vonjy

Partager sur: