Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Judo. Misaona ny tontolon’ny Judo eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, ny Maitre Rabibisoa Nicodem, tepana mainty 5e Dan. Tany amin’ ny faritra Atsimon’ny Nosy izy no tena nilomano teo amin’ity taranja ity. Efa tompondaka imbetsaka ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ihany koa. Mpanazatra, filohana ligy ary mpanolotsaina teknika no nahafantarana […]

International Multi-boxe : nifampizarana ny fandresena

Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra. Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, […]

« World Jiu-Jitsu Championship » : hiditra an-tsehatra anio i Zo Aina

Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio. Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny […]

Fifidianana : noraisin’ny MDN ny filohan’ny Ceni

Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, omaly ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène. Ho fanohizana ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023 no tena anton’ny fihaonana teo amin’ireto tomponandraiki-panjakana ambony ireto. niompanan’ny fifampiresahana ireo dingana rehetra hitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra […]

Ambohidratrimo: tafatsangana ny fikambanana Zam

Fikambanana miahy ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Zam eny Ambohidratrimo. Anisan’izany ny fanampiany ny Akany Avoko, manabe ny ankizy. Tafatsangana ny fikambanana Zanaka Ambohi­dratrimo Marovatana (Zam), ahitana vondrona sa­mihafa any Ambohidratrimo Marovatana. Anisan’izany ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny ara-panatanjahantena, ny vehivavy, ny sampana avy amin’ny fiangonana maro, sns. Miparitaka any […]