Misy fiofanana maimaimpoana momba ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary dobo vita simenitra. Eo koa ny famokarana zanatrondro tilapia sy karpa sy ny sakafon-trondro hotanterahina ny 10-11 novambra ho avy izao. Mandray fisoratana anarana ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga ao Diana. […]
Taratra
Sima sy vaky lanilany: mila averina ny endrika sy ny asan’ny molotra
Manazava ny vahaolana amin’ny fahasimana sy fahavakisana lanilany ny profesora Razafindrabe John Alberto Bam, “Chirurgien-Stomatologiste” eo anivon’ny Centre Hospitalier Joseph Dieu Donné Rakotovao, Befelatanana (CHUJDR). Aretina tsy mifindra fa vokatry ny tsy fahatomombanana mandritra ny vohoka ny sima sy ny vaky lanilany. «Tsy misy fanafody ohanina na tsindrona mamerina ny […]
Zotra nasionaly sy rezionaly : hentitra ny fampanarahan-dalàna
Manara-maso ny fampanarahan-dalàna ny amin’ireo zotra rezionaly sy nasionaly ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Teny amin’ny tobim-piantsonana Antohomadinika, mampitohy an’Antananarivo amin’ny faritra Alaotra izy ireo no nanao ny fisavana. Efa niasana ny teny amin’ny fiantsonana Maki, Fasanikarana. Araha-maso amin’izany ny antontan-taratasin’ny fiara “Carte grise”, “Visite technique”, “Attestation d’assurance”, “Carte […]
Na tsy azo nidirana aza: nitohy ny fampianarana teny Analakely sy ny manodidina
Tsy voahelingelina ny fampianarana sy ny asam-barotra, omaly maraina, teny Analakely sy ny manodidina. Ny Taxi-be sy ny mpampiasa lalana mandeha an-tongotra sy ny fiara madinika no tena sahirana. Nitohy nilamina ny fampianarana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina, omaly maraina, na teo aza ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana […]
Fifidianana: ho avy ny iraky ny Sadc
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc niarahana amin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta tany Luanda, ny 4 novambra teo, ny momba ny fifidianana. Anisan’izany ny handefasan’ny eo anivon’ity Vondrom-paritra ara-toekarena ity iraka mpanara-maso ny fifidianana hatao eto amintsika. Nirary ny hipetrahan’ny fitoniana sy ny filaminana ho an’i Madagasikara sy ny any […]




