Taratra

Fahasalamana : olona 1 amin’ny 2 no voan’ny diabeta

Fitiliana diabeta maimaimpoana, ny 13 sy ny 14 novambra, hatao eny amin’ny Amadia Faravohitra, no hanamarihan’ny Amadia ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta. Araka ny fantatra, olona 1 amin’ny 2 maneran-tany no voan’ny diabeta nefa mbola tsy tonga saina amin’izany. Manohy ny andavanandrom-piainany ary tsy misy fitandremana. Noho izany, ilaina […]

Psycho-social : ilana fitsaboana ny fikorontanan-tsaina

Manampy ny fikarakarana ataon’ny mpitsabo ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manome fanafody ny fanarenana psycho-social. «Fandraisana an-ta­nana, ainga vao ary fanentanana ho an’ireo olona miaina fikorontanana sy tsy fahasalaman’ny saina izany », hoy ny psychiatre, mpikambana ao amin’ny Association Psy-kôzy Mada­gasikara, dokotera Ra­zafin­dra­lambo Kiady Rivo, omaly, teny […]

TARATRY ny KANTO

“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk An­tsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto. Rehefa tsy tazana elaela […]

Faniry Ezeckiel : hivoaka ny boky « Tantely amam-bolana »

Sabotsy 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Trano­ben’ny Serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra. Ha­voaka amin’ny fomba ofisialy ny boky « Tantely amam-bolana », mirakitra tononkalo sy riankalo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Boky 140 pejy. Ahitana lohahevitra miompana amin’ny fiarahamonina sy fitiavana amin’ny fomba fijery […]

Hira ara-pilazantsara: tafajoro Ny Antsa Ministry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindra­mamy, ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Ny Antsa Ministry, misehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny hira ara-pilazantsara. Ankoatra ny antoko mpihira Ny Antsa Mass Choir na NMC, ahitana vondrona telo ihany koa mandrafitra Ny Antsa Ministry. « Mitaona ny tanora hahay handray andraikitra mba […]