Taratra

Tao anatin’ny valo volana : Nilanja 329 188 t ny vary nafarantsika

Nahatratra 329 188 t ny vary nafarantsika nandritra ny valo volana voalohan’ity taona ity. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 514 050t tamin’ny taon-dasa nandritra ireo vanim-potoana ireo. Izany hoe fihenana manodidina ny 184 862t, araka ny tatitra navoakan’ny observatoire du riz (ODR). Tsara ny voka-bary teto an-toerana ny taona […]

Madagascar Airlines: mitsangana ny drafi-panarenana « Phoenix 2030 »

Tafatsangana ny drafi-panarenana ny orinasa Madagascar Airlines manoloana ny olana goavana sedrainy sy ny fatiantoka aman-tapitrisa maro eo anivon’ny kaompania. Nofoanana avokoa ny sidina iraisam-pirenena sahanin’ny Mada­gascar Airlines noho ny tsy fahafahany hiantoka ny zotra sy ny olana samihafa sedrain’ ny kaompania. Manoloana izany natsangana ny drafi-panarenana ny orinasa, « Phoenix 2030 » iandrasana fankatoavana amin’ny tomponandraikitra. Tanjona ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nijery ny asa fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Sainte Marie, ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny fitantanam-paritry ny asa vaventy, ny herinandro lasa teo. Mandroso ny asa ahitana ampahan-dalana miisa telo, mirefy 9 km, 24 m ary 17 km, voakasiky ny tetikasa Pic III. Natao ny 31 oktobra teo ny atrikasa hamolavolana ny […]

Orinasa Smmec: masoivoho fahafito ny eny Anosimasina Itaosy

Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Mi­sokatra ny ma­soivoho vaovao, fa­hafito, eny Anosimasina Itaosy, mi­tondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misa­hana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitata­fika, Imerin­tsiatosika, Tanjombato, Ando­haranofotsy ary Alasora. Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy […]

Banky iraisam-pirenena: hiantraika any amin’ny solika sy ny sakafo ny ady any Moyen Orient

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina. Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, […]