Taratra

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fihodinan’ny tarika Baobab, any Eoropa. Efa nahavita seho am-polony hatrany Italia, Suisse ary mbola mitohy ao France amin’izao fotoana izao ny tarika Baobab. Manana daty telo misesy ry Haingo sy ny tariny amin’ity faran’ny herinandro ity, ary mbola hitohy izany. Ny famelomana ireo hira tsy ton­tan’ny ela, tsy […]

Rabenandrasana Lalao – Boky: nivoaka ny « Tantaran’i Madagasikara »

«Diary ho an’ny mpianatra”. “Raha nitsidika ny Rovan’ i Manjakamiadana ny mpanoratra ity boky ity, ny 15 desambra 2011, dia ontsa nahita ireo mpianatra marobe nifanosika nandika ny tantaram-pirenena naranty tao. Tapa-kevitra fa hanangona sy hanovo ary handrakitra izany ho bokikely ho an’ny mpianatra sy izay liana amin’ny tantaram-pirenena aho. […]

Misidina ambony vao tra-pahoriana !

  Manomboka mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy maro ny fiheveran-tena fa ambany raha ampitahaina amin’ny vahiny. Nariana ny maha izy ny tenany fa nolohalohavina ny an’ny hafa. Atao tsinontsinona sy nanjary nahamenatra ny miaina sy manaja ny fomban-drazana sy izay rehetra mifamatotra amin’ireny (fady, tody, fitafy, fifanajana, fihavanana, teny…) fa ratsy, […]

« Sar’Nao » – Iray volan’ny saripika : hifantoka amin’ny saripika amin’ny ravinkazo

Afaka misitraka sy mahafantatra ny karazana saripika sy ny fanontana ireo sary fahiny ny mpitsidika mandritra ny iray volana. Hotontosaina ny 8 ka hatramin’ny 30 novambra 2023 izao ny «Fes­tival Sar’Nao», na iray volan’ny saripika. Hetsika karaka­rain’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) izy ity, ary ao ihany koa no hanaovana ny […]

Fitohanan’ny fifamoivoizana: mitombo ny fandaniana sy ny fotoana lany

Olana iray lehibe eto an-drenivohitra ny fitohanan’ny fifamoivoizana, saika isan’andro. Fotoana maro no very amin’izany ary misy fiantraikany goavana eo amin’ny asa fihariana. Mitady vahaolana tsy tapaka ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) eo amin’ny fifamoivoizana. Mitohana maharitra ny fifamoivoizana eto An­tananarivo noho ny fi­tomboan’ny mponina sy ny fiara. Ao koa ireo tonga miakatra eto an-drenivohitra […]