Taratra

Rabary Paul : “Tsy manana fahamatorana ireo kandidà folo”

Tsy fahamatorana politika ny hetsiky ny kandida folo, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Tamin’ny 1958, nisafidy ny sata repoblikanina i Madagasikara, mametraka fa amin’ny alalan’ny fifidianana no ametrahana mpitondra. “Inona no anaovana amboletra ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey?”, hoy izy. Mariky ny tolom-bahoaka ny kianjan’ny 13 […]

Ankasina: taolam-paty hita tao anaty bidao mavo

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7), 67 ha, teny Ankasina, afakomaly hariva ny jiolahy iray nahatrarana taolam-paty. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ity jiolahy ity mihaodihaody eny amin’iny faritra Ankasina iny. Tsy azo antoka fa mitondra zavatra mifonofono selofanina. Mivezivezy eny Ankasina izy, araka […]

Emmo/Nat : “Homena mpiambina manokana ireo kandidà”

Namory mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. Nitondra fanazavana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ ny Emmo/Nat, ny Jly Ramasimanana William fa misy tetika maloto any ambadika any ka handray ny fepetra samihafa mifandraika amin’izany izy ireo. “Misy mikasa ny hifofo ny […]

Haitao ara-kajy mirindra: hampiroborobo ny famokarana

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Airtel Madagascar ary ny ONG “Agence de développement inclusif et durable”(ADID), hanatanteraka ny tetikasa « territoire agricole durable » (TAD), entina hampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara. Tanjona ny hisian’ny fandrosoana ma­haritra ho lovain’ny taranaka amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Eo ihany koa ny hampiharana […]

Lomotra fihinan’ny fano: Fotoana mahabe poizina azy izao

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana mampitombo ireo lo­motra misy poizina, izay sakafo fihinan’ny fano na ireo sokatra an-dranomasina isika izao. Manomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny volana marsa izany. Lomotra (dinoflagelles) fihinan’ny fano tanora izy ity izay voatahiry rehefa lehibe ka mampisy poizina ny nofony. Antony mahatonga ny fahafatesana rehefa mihinana ity sokatra an-dranomasina […]