Taratra

TSELATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika ny dimy ta­min’ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny dimy hafa raha nosokajiana ho vavolombelona ny olona iray tsy ampy taona. Raha tsy misy kosa ny fiovana, ny 9 novambra 2023 ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo. […]

Lasa ny vola tamin’ny sakaosy: mpanao Cash point voatifitra ny feny roa

Indroa nipoaka ny basy tetsy Andoharano, Tsimbazaza, omaly. Raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy nitam-basy ny raim-pianakaviana iray handeha hamonjy ny toeram-piasany teny amin’ny fokontany Andoharano-Tsimbazaza, omaly maraina. Nandrasan’ny jiolahy roa lahy tsy nisy nisaron-tava teo amin’ny tohatohatra kely tsy lavitry ny tanàna izy. Notakin’ireo olon-dratsy […]

Pagode Antsahasoa : mamiratra ireo zaza kambotin’ny Tafika

Nomarihina ny sabotsy teo, tao amin’ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Tafika eny Pagode Antsahasoa, ny fisokafan’ny taom-panabeazana 2023-2024 ka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fotoana. Zanak’ireo miaramila lavo an’ady no raisin’ny fanjakana an-tanana eto amin’ity akany ity. Miisa 27 mianadahy ireo ankizy ka ny telo amin’ireo mianatra any amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nohazavain’ny lehiben’ny fiaraha-miasa fa laharam-pahamehana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny sehatry ny fanofanana arakasa ka nanamarika ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisitera voakasika izy ireo. Efa misy ny fandaharanasa “Fahaiza-manao ho an’ny rehetra” iarahan’ny roa tonta. Nodinihina ny fanombohan’ny fandaharana amin’ny tapany faharoa ny taona 2024. Nampiofanina mahakasika ny fiarovana ny […]