Taratra

Boriborintany faharoa: sekoly miisa 16 nisitraka fampitaovana

Sekolim-panjakana fototra, (EPP), miisa 13 sy kolejy, CEG, miisa telo eo anivon’ny boriborintany faharoa, nisitraka ordinatera, “imprimante” ary “onduleur” avy amin’ny solombavambahoakan’ny boriborintany faharoa, i Lanto Rakoto­manga, teny Androndrakely, omaly. “Tsy natao ho an’ny tale fa iasana eo anivon’ny toeram-pianarana ireto fitaovana ireto”, hoy ny solombavambahoaka. Nahazo ny anjarany avokoa […]

Aorian’ny telo taona nianarana : tokony hahay hanoratra, hamaky teny sy hikajy ny ankizy

Hisitraka tohana avy amin’ny mpamatsy vola ny fanabeazana i Madagasikara, ho an’ny taona manaraka. Maika ny fametrahana asa azo tanterahina hipaka mivantana any amin’ny mpianatra. Voafidy hisitraka ny famatsiam-bola tohana avy amin’ny Vondron’ny mpanohana ny fanabeazana (GPE) i Madagasikara. Aha­fahana mahazo izany, tsy maintsy mamolavola ny asa hatao mandritra ny […]

Tenisy – «Mada Junior 2023»: Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny kianja “Club Olympique de Tananarive” (COT), Mandrosoa Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ho an’ny sokajy “junior 2023”. Nanjakan’ny ligin’Analaman­ga, ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa mantsy ny anaram-boninahitra teo amin’ireo sokajy niadiana ny amboara. Mbola misongadina hatrany anefa ny […]

Kitra – « Ligue des Champions »: hanala vela amin’ny Paris Saint Germain ny AC Milan

Hotanterahina rahampitso ny andro fahefatra, fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2024». Ani­san’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay, sy ny AC Milan, ekipa Italianina, ao amin’ny sokajy «F». Hotonto­saina ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie, […]

Fivoriamben’ny FIM Afrika: Afa-po tamin’ny fandraisana ny vahiny

Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Afa-po tanteraka tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme (FMaM) ireo vahiny. Raha ny vaovao voaray, miisa 20 ireo firenena tonga nanatrika ny fivoriana tany an-toerana. Anisan’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Afrika Atsimo, Zimbabwé, Côte […]