Taratra

Fanalana tsikafona etsy Marais Masay : Hanatsara ny fikorianan’ny rano

Manohy ny fikojakojana sy fanadiovana ary fanalana ireo tsikafona eny amin’ny farihin’i Marais Masay Atsimo, mirefy 20ha, ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Apipa. Nisy ny fidinana ifotony nataon’izy ireo teny an-toerana, ny sabotsy lasa teo. Fotoana nanohizana ny fanadiovana. Miha betsaka ny tsikafona amin’izao fotoan’ny […]

minisiteran’ny Mponina : Zana-kazo 3 000 isa novolena

Nosafidian’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina manokana ny toerana any Antsapanimahazo, nanatanterahina ny fambolen-kazo tamin’ity taona ity. Io toerana io no handray ireo olona hifindra monina sy vonona hiary ao. “Ho fanajariana ny tanàna haha te-honina mba hovantanan’ireo olona voasokajy ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina no anton’ny fambolen-kazo”, hoy ny […]

Miakatra ny reniranon’i Sisaony : Olona 2 545 traboina, trano 555 dibo-drano

Mavesatra ny takaitra nentin’ilay ora-mikija nanomboka ny sabotsy teo. Maro ireo trano fefiky ny rano manamorona ny reniranon’i Sisaony. Mitohy ny famonjena ireo traboina. Miakatra ny reniranon’i Sisaony ary betsaka ny trano dibo-drano, maro ireo traboina tampoka vokatr’izany. Hatry ny sabotsy teo, nanao ny ezaka fanavotana ireo tokantrano fefika ny […]

Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy

Tapitra teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny dian’ny ekipa malagasy roa, nandritra ny famaranana lehibe, niadiana ny “Petanque passion française (PPF 2025)”. Fihaonana notanterahina omaly, tany amin’ny kianja Aix-en-Pro­vence, France. Raha tsiahivina, nomontsanin’ny ekipan’i Monros sy i Luc Laillé ary i Guillaune Magier, tamin’ny isa mavesatra, 13 no ho 2, […]

“World Cola-PFL” : Ady sahala ny an’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra “World Cola-PFL”. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro sy noheverina ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny AS Fanalamanga sy ny Elgeco Plus Analamanga, natao tany Ambatondrazaka, omaly. Nisa­raka ady sahala, 0 no ho 0 tsy […]