Taratra

Nangalatr’omby tao Mandoto: dahalo iray lavon’ny bala, karohina ireo namany

Maty voatifitra tao anaty sakoroka nandritra ny fifampitifirana teo aminy sy ny zandary ny iray tamin’ny dahalo nangalatr’omby tao Tsaramandroso Fiadanana, fokontany Ambohitrandriana, kaominina Vasiana, distrikan’i Mandoto, afakomaly. Dimy lahy, nirongo basy tao amin’io tanàna io ireto dahalo ireto. Mailo anefa ny fokonolona ka nampandre ny zandary. Niroso tamin’ny fanarahan-dia […]

Lasa ny 1 000 000 Ar: jiolahy nandroba Cash point, tratra teo am-pitsoahana

Nampiasainy vovon-tsakay, norombahin’ity jiolahy  ny vola teny amin’ilay ramatoa mpiasa amina “cash-point” ary nikasa handositra izy taorian’io. Nofafazany vovo-tsakay ary nalainy ny vola, tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary ny  jiolahy mpandroba Cash-point tao Ambohibao Ankadindravola, omaly. Renim-pianakaviana iray no lasibatr’ity lehilahy ity. Nandrasan’ io jiolahy io hirava teo amin’ny […]

« Mondial 2022 »: mpanara-maso 200 000 karamain’i Qatar   

Amin’izao fandraisan’ny Qatar ny lalao lehibe iraisam-pirenena na ny « Mondial 2022 » izao, namoaka fepetra maro tao anaty tambajotran-tserasera izy ireo, omaly. Hampiatra lalàna miisa 10 ny Qatariana mandritran’ny fivahinian’ireo olona any amin’izy ireo, ka isan’izany ny fanakaramana ireo mpanara maso miisa roa hetsy, izay handrindra ny mpivahiny sy ny mponina. […]

Echec: tompondakan’i Eoropa Razafindratsima Timothé

Manga indray ny lanitra teo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa ho an’ny tanora, latsaky ny 16 taona, taona 2022. Fifaninanana natao tany Torkia, ny 5 hatramin’ny 14 novambra 2022. Voahosotra ho tompondaka an’i Eoropa ny mpilalao malagasy, Razafindratsima Timothé. Anisan’ny nisongadina indrindra tamin’ireo mpilalao miisa […]