Taratra

Minisitra Ravokatra Fidiniavo : “Feno ny fepetra ho amin’ny fifidianana”

“Mitondra any amin’ny krizy, raha vao mivoaka amin’ ny Lalàmpanorenana izay eritreretina hatao. Tsy mbola misy krizy ka tsy misy fifanarahana politika. Tsy misy koa ny eritreritra mankany amin’ny Tetezamita. Ao anatin’ny fana­jana ny Lalàm­panore­nana isika izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, […]

Andrianainarivelo Hajo : “Tsy azo ekena ny fampiasan-kery”

Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Anisan’ny nasongadiny ireo tranga niseho tato ho ato, momba ny fiainam-pirenena.. “Tsy azo ekena ny herisetra sy ny fampiasana hery amin’ny vahoaka. Tsy azo ekena tahaka izany ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Prefet an’Antananarivo”, hoy izy. Notsiahiviny ny voalazan’ ny Lalàmpanorenana momba […]

Tetikasa “Mikolo Aina”: Vehivavy voafonja 28 nofanina hanjaitra

Nisitraka fiofanana momba ny fanjairana salaka azo sasana, niarahana tamin’ny ONG Douleurs Sans Frontières Ma­dagascar, ireo vehivavy voafonja 28 tao Antanimora. To­hin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny tetikasa “Mikolo Aina”, fanohanana ny fandaharanasa Fa­na­renana ny hetsika. Namatsy vola ny Agence française de […]

Fifamoivoizana: miteraka loza ny tsy fitandreman’ ny mpamily

Hatao mandritra ity volana oktobra ity ny fanofanana ireo mpamily fitateram-bahoaka amin’ny zotra rehetra manerana ny Nosy na nasionaly na rezionaly, tanterahin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny GPM. Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Notanterahina isaky ny to­bim-piantsonana teto Anta­nanarivo sy ny manodidina iza­ny mba hahafahana mandrakotra tanteraka […]

Rivodoza: vinavinaina hiseho amin’ny janoary 2024

Nisy atrikasam-pirenena ho fampahalalana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024 nataon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Hita ao anatin’ny vinavinan’ny taom-pahavaratra ny tombana mahakasika ny rotsakorana, ny maripana, ny vinan’ny rivodoza anatin’ny fito volana ho avy (oktobra hatramin’ny avrily) ary ny tomban’ny tandindon-doza. Momba ny rivodoza […]