Taratra

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy misy antony hitsipaham-pitokisana ny governemanta”

“Tsy mahita aho ny antony tokony hanatanterahana fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izay efa fotoana fohy sisa no ipetrahany eo.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakoton­drasoa Fetra, manoloana ny hoe mety hisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta amin’izao fivorian’ny Anteni­mie­rampirenena izao. Gover­ne­manta manao fampandehanan-draharaha mandra-pahatonga ny filohan’ny Repoblika […]

Tsy hery fa fanahy? 

  Nidina an-dalambe hatrany ny kandidà 11, omaly.  Tsy niraharaha izay lalàna na fepetra noraisin’ny prefektiora izy ireo. Tsy vitan’ny namory vahoaka fa nidina an-dalambe mihitsy. Mitaky fanavaozana saingy mijoro ho tsy manaja lalàna. Mandrefy hery amin’ny fanjakana, miziriziry amin’ny heviny. Milaza ho modely tsara, mitady hirika hitondrana fahefana izy […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy azo ekena ny fanakorontanana”

Nanomboka ny tafa hataony isan-kariva, ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ny raharaham-pirenena.  Nambarany fa tsy hisy fampandrosoana mirindra eto raha mbola misy ny fanakorontanana. “Hanimba ny firenena izany ka tsy azo ekena ny fanakorontanana… Efa betsaka ny vitantsika ka aoka ny tombontsoan’ny maro anisa […]

Hetsiky ny kandidà 11 : voasakan’ny mpitandro filaminana

Tsy vita hatramin’ny farany ny diaben’ny 11 kandidà, omaly. Nifarana tetsy Mana­kambahiny izany raha nikasa ny ho any Tsimbazaza izy ireo. Tsy mbola vita ny kabarin’ireo mpitarika ny diabe, nisy mpitandro filaminana marobe nandrava ny hetsika teny an-toerana. Tsiahivina fa tokony teny Bel’Air ny fotoanan’ireto mpanao fihetsiketsehana ire­to, saingy efa […]

TSELATRA

Navotsitry ny mpitandro filaminana ilay mpilalao horonantsarimihetsika malagasy, Jork Imbilaya, voasambotra tao Imeritsiatosika, omaly. Anisan’ireo nitarika fidinana an-dalambe mifandraika amin’ny hetsika ataon’ireo kandidà miisa 11 izy. Nampahafantatra tamin’ny tambajotran-tserasera izy rehefa nalefan’ny mpitandro filaminana nody. Mpamaky trano ikoizana maty voatifitra tao Ankiliniabo, kaominina Analavory, ny alarobia 18 oktobra teo. Nifanenjehan’ny […]