Taratra

Harena an-kibon’ny tany : manaraka akaiky ny japonais

Natao ny 16 oktobra teo ny atrikasa mahakasika ny fanadihadiana amin’ny lafiny tontolo iainana amin’ny fomba niomerika, iarahana amin’ny teknisiana japonais ao anatin’ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, Jica. Ao anatin’izany ny fitsinjovana ny fikajiana ny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hijerena ny […]

SIH 2023 : hisongadina ny fanorenan-trano mitsinjo ny tontolo iainana

Nisokatra omaly, eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH). Hampiavaka amin’ity andiany faha-25 ity ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Maherin’ny 120 ny mpandray anjara eny amin’ny SIH 2023, ahitana ireo mpisehatra samihafa amin’ny lafiny fanorenana, indrindra ny trano fonenana, toy ny mpamokatra akora fototra, ny mpamatsy kojakoja, ny orinasa matihanina […]

Tetikasa Fiovana : hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana

Mifototra amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tetikasa “Fiovana” izay va­tsian’ny USAID Madagasikara ary tanterahin’ny Adra. To­kantrano 71 476 no kendrena amin’izany. Tamin’ity volana oktobra ity, mpikambana 120 avy amin’ireo vondron’ny anaka amin-dreny (M2M) napetraky ny tetikasa “Fiovana” eny amin’ireo fiarahamonina iasany no nahazo fiofanana momba […]

Logos Hope : ho avy ao Antsiranana

Hijanona ao Antsiranana ny tranomboky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany, Logos Hope, manomboka ny 27 oktobra ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra mandritra io fotoana io ny tranomboky. Maherin’ny 5 000 ny boky haranty sy hamidy amin’ny vidiny mirary ho an’ny mpitsidika. Hita ao avokoa ireo […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fisokafan’ny fiofanana nasionaly na ny concours d’entrée à l’internat qualifiant en médecine, amin’ity taona 2023 ity. Mpianatra ho mpitsabo miisa 60 no kendrena horaisina amin’izany. Ny 50 amin’izany dia sivily ary ny 10 kosa dia miaramila. Nahazo fitaovam-pianarana, ahitana kahie, penina, aronakanjo […]