Notazonin’ny dahalo nanomboka ny 12 oktobra teo, avotry ny zandary ny ankizy roa lahy tao Antsiafabositra, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy an-keriny tao amin’io tanàna io ireo ankizilahy 9 taona sy 14 taona ireo. Nohazonin’ny mpaka takalonaina izy mirahalahy ireo ary notakina vola an-tapitrisany tamin’ny fianakaviana. Nanao ny […]
Taratra
Nanodinkondin-jaza : Pasitera nogadraina !
Notanana am-ponja vonjimaika ny pasitera avy amin’ny fiangonana iray. Nampangaina ho nanodinkondin-jaza tsy ampy taona izy. Tomponandraikitra ao amin’ny sekolim-pinoana iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, ity pasitera naiditira am-ponja ity. Mpianatra kilasy fahadimy no voalaza ho nahodinkodin’io pasitera io tamin’ilay ankizy 14 hatramin’ny faha-15 taonany. Nipetra-drery nanofan’ny ray […]
Toe-draharaha eto an-drenivohitra: mihenjana ny prefektiora!
Nilatsaka ary nampiharina, nanomboka omaly, ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany, nampitaina amin’ny prefektioran’Antananarivo. Nohamafisin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo amin’ny fanomezana toerana na kianja izany. Nivoitra tamin’izany ny fandaminana ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika ho an’ny fampielezan-kevitra. Nandraisana fepetra izany ka eo ny tsy maintsy hanaovana fangatahana alalalana ho an’ireo hanao hetsika, […]
Fitsinjovana ny tontolo iainana : azon’ny Ravinala Airports ny loka ACI Afrika
Orinasa mitantana seranam-piaramanidina voalohany aty Afrika, nahazo ny loka iraisam-pirenena ACI “Africa Environment and Sustainable Development Awards” ho an’ ny taona 2023. Tanteraka izany vokatry ny asa nataony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be. Anisan’ny singa sy fepetra takina ahazoana ity loka ity ny lafiny fitsinjovana […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa tafakatra 3 300 Ar ny kilaon’ny vary makalioka, nanomboka tamin’ity herinandro ity teto an-drenivohitra. Misy mihitsy aza ireo mpaninjara mivarotra 1 000 Ar ny iray kapoaka, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Milaza izy ireo fa mahatonga izany ny fiakaran’ny vidiny ataon’ny mpanangom-bokatra, satria misy ny mpandraharaha mahavita […]




