Matetika no tsy voahaja ny “franchise universitaire” fa izay vao nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo izay manameloka ny fanaovana hetsika politika anatin’ny faritry ny oniversite. Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo, ny alarobia lasa teo, fa toerana natokana ho an’ny fampianarana sy fikarohana ny onivesiten’Antananarivo ary manana “franchise universitaire” […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Revy Lôlô, eny amin’ny Le By Pass After Work. Mitohy hatrany ny famelomana ny “Revy Lôlô sy ny tariny”, hataon’i Benny sy Bebey. Manaraka azy mirahalahy amin’ny tendry gitara hatrany i Ninie Kaolibera. Toerana efa mahazatra ireo mpiala voly aorian’ny asa rehefa faran’ny herinandro ity hanomezan-dry zalahy fotoana, anio manomboka […]
Aft Andavamamba: hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Festival des livres « Thrillers »
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), manomboka rahampitso hatramin’ny 31 oktobra 2023, ny « Festival des livres « Thrillers » andiany faharoa. « Les monstres littéraires » no lohahevitra noraisina amin’izany. Hetsika lehibe hanehoana ireo haikanto maro samihafa mampatahotra. Anisan’izany ny rantin-tsary, teatra, lalao sy fifaninanana, atrikasa ary fihaonana sy fifampizarana. Tanjona ny […]
“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Riva sy ny sanganasany
Manana ilay talenta mihazona ny mpamaky hanjohy hatramin’ny farany izay i Riva… Misongadina amin’ny fahaizany milalao ny teny, mamoaka ny aingam-panahiny ihany koa. Riva Ando Andriamalala, fantatry ny maro amin’ny sonia Riva. Mpanoratra, poeta tsy zoviana amin’ny tontolon’ny literatiora izy. I Riva indray no nosafidiana hampahafantarina anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, […]
Atrikasa vaky boky: hitondra ny traikefany i Arikaomisa Randria
Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipalin’ny boroborintany fahatelo, eny Antaninandro, ny atrikasa momba ny boky, karakarain’ny Kaominaina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’ny alalan’ny DACVC, ao anatin’ny hetsika « Caravan’iles 2023 ». Arikaomisa Randria no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ity anio ity. Hitondra ny haikantony sy hanome fahalalana ireo ankizy mahakasika ny haikanto […]




