Taratra

Sarimihetsika : Nomen-danja ny famoronana

“Mba hahazoana vokatra misy kalitao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”. Tan­jona lavitra ezaka izay, kanefa efa mirona mankany ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika. Nisy ny atrikasa roa izay natokana ho an’ny famoronana anatin’ny sarimihetsika, tetsy amin’ny IFM Analakely. Maha­kasika ny fanomanana horonantsary lava ny voalohany, niarahana tamin’ireo mpisehatra avy […]

Volan’ny teny Malagasy : Hanomezan-kasina ny kolontsaina ny « Hadimiana Sandratra »

Iray amin’ireo hetsika lehibe manamarika ny « Iray volan’ny teny malagasy » ny « Hadimiana Sandratra » nosokafana, omaly. Fotoana anomezan-kasina ny kolontsaina malagasy raha ny fandaharam-potoana sy ny hetsika hotanterahina. Tafiditra ao anatin’ny fa­namarihana sy fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nosokafana, omaly, tao amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy (efitrano Dox), ilay hetsika « Hadi­miana Sandratra », […]

FANTINA sy FINTINA

Nandray anjara tamin’ny filankevitry ny minisitra faha-40, nataon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) tatsy Moroni, Kaomoro, omaly, i Madagasikara. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny fiarovana an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fandriampahalemana ara-tsakafo. Taorian’ny […]

Fanisana mpifidy eny ifotony : “Ny 15 jona hatramin’ny 20 jolay”, hoy ny Ceni

“Ny fotoana tsara ho fantatra, manomboka amin’ny 15 jona ary hifarana ny 20 jolay ho avy izao ny fanendrena ireo mpikambana amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, ka hanisana mpifidy […]

Manahiran-tsaina

  Tsy misy adihevitra fa tena tompon’ny tanàna ry henjana. Na lalàna inona na lalàna inona aloha voahosihosy dia rehefa lazainy hoe mety dia mety. Tsy asiana resabe ny amin’izay fa ny azo ambara dia tena azy ireo ny lakile. Hidiana dia mihidy, avela hiriaria dia miriaria. Tahaka izany ny […]