Taratra

Halevina anio : namela mamy ny Pasitera Rahaga

Tsy misy tsy mahay ny hirany. Anisan’ireo nitondra aim-baovao ho an’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira teto Madagasikara ny pasitera Andriamiadanarivo Rahagalahy, fantatry ny maro amin’ny hoe Pasitera Rahaga. Araka ny efa notaterina teto, nodimandry ny alatsinainy, teo amin’ny faha-68 taonany ity mpitandrina sady mpamoron-kira no mpihira ity. Efa fotoana elaela no re […]

Fikambanana Mamré : masera manokan-tena ho an’ny Tompo eo anivon’ny FJKM

Toy ny amin’ny fiangonana katolika, manana masera ihany koa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasi­kara (FJKM). Fikamba­nan’ireo vehivavy masera mivelona amin’ny fiainam-bavaka sy manokan-tena ho an’ny Tompo no antsoina hoe Mamré. Mbola vitsy ireo mahafantatra azy ireo ma­nerana ny Nosy, indrindra ny any ambanivohitra, raha ny fanadihadiana natao. Mahafantatra ny fisian’izy ireo kosa ny olona […]

FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny governemanta ifandrombonana, omaly, ho setrin’ny an’ireo masoivoho vahiny. Hany vahaolana tokana manoloana ny toe-javamisy ankehitriny, ny fifidianana. Miantso ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny fitondram-panjakana mba hifanome tanana amin’ny famitana izany. Tsy mbola niala amin’ny kandidà 11 ny kandidà, Ratsirahonana Lalaina, araka ny nambarany, omaly. “Diso izany vaovao […]

Antenimiera roa tonta : nafana ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny An­tenimierampirenena, tetsy Tsimbazaza sy ny Antenimie­randoholona, tetsy Anosy. Nafana sy niavaka ny fanokafana izany, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nipetraka nitokana tamin’ny seza ha­vian’ny efitrano fivoriana avokoa ireo solombavambahoaka momba ny fitondrana, nanao akanjo volomboasary. Nito­kana tamin’ny an-kavanana kosa ireo depiote […]

Loza mihatra !

  Loza ity hoy Rainimanonja! Tonga any amin’ny fifamonoana ny samy Malagasy madinika. Tsy tandindonin-doza intsony ilay fiarahamonina fa mirona any amin’ny fifandratrana sy fanimban-javatra. Misy ny maratra isan’andro. Tsy misy manaiky lembenana amin’ny fanehoan-keviny. Mifandrefy hery amin’ny daroka sy vely kibay. Ny tena marina, samy niandry « action » […]