Toy ny fanaon’ny Fondation Mohammed VI isan-taona, eto Madagasikara, misy ny hetsika Firaisankina, mandritra ny volana Ramadany. Nisy ny fanomezana sy fanampiana ny mponina tao Antsirabe, afakomaly, sy ny mpianatra Ankatso, omaly. Notanterahina omaly, teny Ankatso, ny hetsika fanampiana ny mpianatra, niarahana tamin’ny Fondation Mohammed VI, sampana Madagasikara. Nisitraka izany […]
Taratra
Baolina kitra : Nisongadina ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny lalao ara-pirahalahiana, hitadiavana vola hanampiana an’i Toamasina. Nahita fandresena teo anatrehan’ireo ekipa voafantina avokoa na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny Elgeco Plus Analamanga. Ny solontenan’Analamanga nandavo ny mpilalao mendrika kaonferansy atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 1. Etsy ankilany, resin’ny […]
Rugby – “XXL Top 12” : Afa-bela tamin’ny FTM ny Cosfa
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Nanamafy ny maha laharana voalohany azy ny Cosfa (Bebaoty), rehefa nandresy ny FTM Manjakaray (Dakar), tamin’ny isa mazava, 44 no ho 23. Nanjakan’ny Bebaoty ny lalao nandritra ny 80 mn. […]
Basikety- Mondial 2027 : Lavon’i Sénégal ny Ankoay Madagasikara
Hatramin’ny asabotsy teo, tsy mbola nahita vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny ”Mondial 2027” ny Ankoay. Resy fanindroany teo anatrehan’i Sénégal indray izy ireo. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Marius Ndiaye Dakar, Sénégal, ny andro faharoan’ny fifanintsanana Mondial izay hatao any Qatar, ny taona 2027. Niondrika teo anatrehan’ny […]
DAKA AN-JORONY
Etsy manao tsipoapoaka Eroa manao tsipaipaika Mahagaga toy ilay vazaha nahita lava-tsaonjo ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, amin’izao fotoana. Atao hoe milamina toa tsy milamina. Lazaina hoe misavoritaka toa mizotra ihany. Tsy hay intsony izy ity fa arahina am-bokony eny, hoy ireo tsy te haka aretim-po. Ny etsy tokoa […]




