Taratra

CHU Anjanamasina : 1 000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina

«Zontsika ny hanana saina salama». Io no lohahevitra noraisina amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina, omaly. “Araka ny fanadihadian’ ny Sampandraha­rahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), amin’ny taona 2030, ho lasa olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny fikoronta­nana ara-tsaina sy ny aretin-tsaina ka mila fandraisana an-tanana”, […]

Jardin miniature : singa ara-javakanto japoney hanehoana ny an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra

Misafidy ny hame­traka sy hanamboatra karazana zaridaina hafa­kely (jardin minia­ture) ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. Niainga avy amin’ ny zavakanto japoney ny niatombohan’ny fanamboarana azy. “Manonofy mahita dobokely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra maro samihafa eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny jardin […]

FANTINA sy FINTINA

Manohana ny ezaka hitandroana ny fahamarinana ny FFKM, araka ny fanambaran’izy ireo omaly, tetsy Ampandrana. Nanterin’izy ireo fa mba hisian’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana izany. “Efa nanao ny ezaka hitadiavam-bahaolana izahay hisian’ny fitoniana mialoha ny hidirana amin’ny fampielezan-kevita sy ny latsabato”, hoy ihany ireo filoham-piangonana. Samy nanao hetsika am-pilaminana, ny […]

Kandidà Andry Rajoelina : « Tsy maintsy mandresy isika !  »

Tsy miandriandry, nanokatra ny fampielezan-keviny avy hatrany ny kandià laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nam­barany fa tsy misy hahasaka ny fifidianana ary tsy maintsy ho mpandresy izy. “Tsy mbola nisy naharesy ahy tamin’ny fifidianana izany”, hoy izy. Natombony, niaraka tamin’ny mpanaradia azy tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka teny amin’ny Ten­drom­bohitr’i Mahatazana Aka­masoa ny […]

Mila voatsiary !

  Mandry an-driran’antsy ny vahoaka malagasy na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana, manao ny ataony ny mpanao politika. Tsy hita mivaingana izay fitakiana. Voizina ny maha vazaha ny andaniny kanefa misy dia manana zom-pirenena hafa ny sasany. Mahasarika olona tokoa ny paikady saingy mampametra-panontaniana hoe, hatraiza anefa ny fetrany? […]