Hanomboka anio 9 hatramin’ny 13 oktobra 2023 ny fivoriambe fanao isan-taona eo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Fihaonambe handinihina ny toekarena, ny asa, ny fiovan’ny toetr’andro, sns. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mandritra ny fivoriambe faharoa, hatao any Marrakech Maraoka, […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Nanolotra ordinatera mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “kits solaires” efatra ho an’ny CFPF ny minisitry ny Fampianarana teknika. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Paositra ny fampitaovana. Nanome tany ihany koa ny minisiteran’ny Paositra ahafahana manitatra ny CFPF Antsiranana. Maro ireo vehivavy maniry hiofana ao ka nanome valonan-damba sy « batteuse » ho an’ny CFP […]
Mandritra ny tontolo andro anio : hitohy eto Analamanga ny tolotra fahasalamana
Mitohy ny hetsika tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka tsy ankanavaka ataon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka maro. Nisitraka koa ny mponina eto Analamanga nanomboka ny sabotsy teo ary hifarana anio. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, eny amin’ny kianja filalaovana basket-bal eny Andraisoro no handraisana ireo mila fizahana sy fitiliana […]
Governemanta rosianina: hanolotra vatsim-pianarana ho an’ny Malagasy
Hanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny fampianarana ambony natokana ho an’ny teratany malagasy ny governemanta rosianina. Manomboka amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ho avy izao izany. Hiarahan’ny masoivohon’i Rosia eto amin’ny firenena sy ny Malagasy tomponandraikitry ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ary hatao mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy izany. Tanjona ny hampiroboroana sy hanamifasana ny […]
Sonose/Mada: “Takinay ny hijerena ny zo aman-kasin’ny mpanabe”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Solidarité des normaliens en sciences de l’éducation de Madagascar – Sonose/Mada, tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe. Hentitra ny fitakian’izy ireo. Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ihany izany fa hanaovana jery todika ny dingana vita sy ny mbola hatao […]




