Taratra

INIM 2023: hanome sehatra ny fihaonan’ny samy mpandraharaha

Tsy zoviana amin’ny maro ny lazan’i Madagasikara amin’ireo vokatra fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, kanelina, kafe, letisia, kakao 100% fin, Ylang-Ylang, manga sns. Mia­vaka amin’izany vokatra ananany izany ny firenena malagasy. Indrindra amin’ireo karazan-javamaniry 15 000 isa tsy fahita maneran-tany sy ireo maro hafa. Hanome seha­tra ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha […]

Fampiroboroboana ny famokarana: tokony hisitraka fampindramam-bola ny tantsaha

Tsy afa-miala ao anatin’ny tontolon’ny famokarana ny resaka famatsiam-bola, ahafahana mampivelatra ny fihariana. Manao ady sisika amin’ireo mpisehatra ara-bola ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao amin’ny faritra Menabe, hanomezana tolotra manokana ho an’ny kaoperativa. Mbola marefa ny kaoperativa ka tokony hisitraka […]

Fampandrosoana lovainjafy: hojerena ireo vahaolana isan-karazany

Manomboka anio ka hatramin’ny sabotsy izao ny « Heri­nandron’ny fampandrosoana lovainjafy », andiany voalohany, hatao etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ny 15% amin’ny paikady nofaritana ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) ihany no mandeha araka ny tokony ho izy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mbola ireo ihany koa no mety ho […]

Mpivarotra “jus fary”: mahalany fary 4 t mahery isam-bolana

Fihariana madinika sy mampidi-bola haingana ny varotra “jus fary”. Mahalany fary 50 kg isan’andro ny mpivarotra iray ary mahazo hatrany amin’ny 400 000Ar isan-kerinandro. Tsena anisan’ny niroborobo tao anatin’ny taona vitsy ny varotra “jus fary”. Asa mahasarika ny tanora noho izy mahavelona sy mampidi-bola haingana. “Manodi­dina ny 80 000Ar isan’andro […]

VAOVAO TAMBATRA

Harenina ny fefiloha manondraka tanimbary 600 ha, eny Antsahadinta, kaominina Androhibe sy Antanetikely Ambohijoky, distrika Atsimondrano. Hanatanterahana azy ny famindrana sorabola ho ao anaty fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ho tanterahina ny fandoavana ny vola, ampahany voalohany, amin’ny fanamboarana ny arabe mi­go­dana. Fotodrafitrasa miainga eny Talata Volonon­dry hatrany Toamasina […]