Taratra

Hikorontana ny asa an-dranomasina: hahery ny onja mandritra ny hateloana

« Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andre­fana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny ha­mafin’ny rivotra. Manan-kery manomboka ny alatsinainy ma­raina ho avy izao ka hatramin’ny alarobia ity filazana ity », hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hisy fiantraikany amin’ny fahasarotan’ny […]

Fianarana asa sy satan’ny mpianatra: nivoaka ny didim-panjakana mifehy izany

Nolaniana nandritra ny fi­lankevitry ny governemanta fa­rany teo ny didy hitsivolana momba ny fifandimbiasan’ny fianarana asa, mifandraika amin’ny famoronana sy fandaminana ny fanofanana amin’ny asa mendrika ho sata maha mpianatra. Mametraka ny rafitra ara-dalàna sy manara-penitra amin’ny fametrahana ny fanofanana sy fianarana asa amin’ny satan’ny mpianatra ny didim-panjakana. Aha­fahan’ny mpianatra […]

Fahasalamana: tonga eny amin’ny CSB ny « fonds de premiers soins d’urgence »

Ho maimaimpoana manomboka izao ny fandraisana an-tanana ireo olona tra-doza tampoka tonga eny amin’ny CSB. Vonjy aina no hatao ary iantohan’ny fanjakana ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fameloman’aina sy ny famonjena tsy maintsy hatao. Hisitraka ny « fonds de premiers soins d’urgence » na ny fandraisana an-tanana voalohany ho an’ny […]

TARATRY ny KANTO

« Jôkôsô- Festival du rire ». Malagasy mpiangaly hatsikana miisa 32 no hifarimbona amin’ny fanatontosana ny « Jôkôsô- Festival du rire » amin’ity taona 2023 ity. Efa vonona ny rehetra ary seho maro samihafa, natao ho an’ny rehetra no efa nomanin’ny mpikarakara ho an’ny mpankafy hatsikana malagasy. Ratsimilaho. Anjaran’ny ao amin’ny tanànan’i Toamasina indray […]

Nate Tex : Haseho anio ny rakitsariny « Hiverina »

Tontosaina anio tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Anala­kely, ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Nate Tex, ao anatin’ilay fampisehoana nampitondrainy ny lohateny hoe “Hiverina”. Ankoatra ny fampisehoana, Fotoana ihany koa ity hanehoana voalohany ny horonantsarin’ny hira “Hiveri­na”. Manodidina ny ora roa eo ny faharetan’ny fampisehoana ary efa nofantenan’ny mpikarakara sy ny mpandray […]