Tsy nandaitra ny ody ratsy nampiasain’ity mpimasy iray ity nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary Ambalabe Tsararano. Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’io tanàna io, ny 25 septambra 2023 lasa teo. Nahazo angom-baovao ny zandary fa miafina ao Ambovonomby ireo dahalo nanafika tao Ambalabe ary mbola mikononkonona hanao fanafihana hafa indray. Nidina teny […]
Taratra
Poa-basy teny Ambatoroka: jiolahy raindahiny rotiky ny bala, 8 lahy voasambotra
Nirefodrefotra ny basy teny Andohanimandroseza, omaly. Voatifitra teo amin’ny lohany ilay jiolahy metisy sinoa. Voasambotra ny namany valo. Potiky ny bala ny lohan’ny jiolahy raindahiny iray tra-tehaky ny polisin’ny SAG teny Andohanimandroseza, omaly maraina. Nifanenjehana nanomboka teny Ambatoroka ity jiolahy ity sy ny namany. Nandeha tao anaty fiara taxi ny sasany tamin’izy ireo […]
APM sy FSMM : tsy tokony hadroahana mpiasa ny politika
Manoloana ny raharaha hanenjehana ny kamarady Rakotoarisoa Alban, antsoina hoe babà, delegen’ny sendikà SVS. Nanao fanambarana ny Fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) sy ny Antoko politika madio omaly, tetsy Antsahavola. Nilaza izy ireo fa tsy manaiky ny fanaovana antsojay sy fandroahana mpiasa noho ny fanehoan-kevitra politika. Tsy misy tokony ho […]
Mahatafita ny baolina kitra : maherin’ny 100 ireo nitsapa fahaizana
Notanterahina nanomboka omaly 28 septambra 2023, tao amin’ny kianja Maitre Kira Toliara, ny tetikasa “Baolina kitra mahatafita”. Nahatratra 100 mahery ireo tanora tonga namaly ny antso tamin’ity hetsika ity. Marihina fa natao hitiliana mpilalao handeha ho any ivelany ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Ilay vahiny mpazanatra, Wissem Mareef sy ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
«Volley-ball». Misokatra hatramin’ny 11 oktobra, ny fanaterana antontan-taratasy ho eo amin’ny toeran’ny Tale teknika nasionaly, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball. Fepetra maro no takina ka anisan’izany ny fananana ny CAPEN (Certificat d’aptitude pédagogique de l’ecole normal) sy ny dilpaoma ambony, niveau 4 (ANS). “D2 National Poule des AS». Hotanterahina any […]




