Lasan’i Gaspard Geofrey, Malagasy mpanatontosa horonantsary fanadihadiana, ny amboara « Prix du Public», nandritra ny hetsika “Ant’sary Doc Festival” andiany voalohany. « Tavela » no lohatenin’ny horonantsary fanadihadiana nentiny nambabo ny fon’ny mpijery ka nahazoany izao amboara izao. Malagasy sy vahiny mpanatontosa, miisa 25 no nandray anjara tao anatin’ity fifaninanana ity. Ny 9 […]
Taratra
« Slam national 14 »: miisa fito ireo hiatrika ny dingana famaranana
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny “Slam Malagasy” ny eny amin’ny IFM Analakely, anio. Hianoka ny seho an-tsehatra atolotr’ireo mpifaninana 7, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ireo mpijery. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny « Slam Poèsie », andiany faha-14. Miisa 7 ireo tafita […]
Raharaham-pirenena : Leo krizy ny Malagasy, mitaky ny hisian’ny fifidianana
Misafidy ny hirosoana amin’ny fifidianana ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana. Vahaolana tsara sy ilain’ny firenena izany, hisorohana krizy hafa, ankoatra ny fahasarotam-piainana izay tsy maintsy atrehina isan’andro. Fotoana ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay maneho hevitra malalaka. Sehatra iray, hametrahany izay filoha hitondra sy hitantana ny firenena. Fanadihadiana! Randrianaivo Jean Aurore, mpanabe sy mpanakanto: […]
Vaovao tambatra
Mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ankorondrano, afakomaly. Tsy maintsy misy ny didim-panjakana manala izay zom-pirenena izay ary mivoaka amin’ny Gazetim-panjakana, araka ny lalàna. Hatramin’izao, tsy mbola nisy izany. Tsy nahazo alalana hiteny amin’ny Leader Fanilo, […]
VONDRON’ny KANDIDA : nandrangaranga ho eny amin’ny 13 mai
Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vondron’ireo kandidà hatao tetsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly tamin’ny 2 ora. Nandrangaranga ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo ny alatsinainy izao, raha tsy tanteraka ny fitakiany. Anisan’ny takin’ireo kandidà ny hifampiresahana ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio. Eo koa ny tsy […]




