Mitohy hatramin’ny anio ny atrikasa fampahafantarana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, tanterahina etsy Tsiadana. Mandray anjara amin’izany ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana miisa 12 ary manana ny solontenany ireo olona manana toe-batana varira. Mandritra ny telo andro hanatanterahana ny varavarana misokatra amin’ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, […]
Taratra
Loka Poesam 2023 : lasan’ny tetikasa manohana ny voly kafe
Azon’ny tetikasa eo amin’ny fanohanana ny voly kafe any amin’ny faritra Itasy ny laharana voalohany tamin’ny tetikasa “Fandraharahana sosialy aty Afrika sy Moyen-Orient”, taona 2023. Niforona ny taona 2020 ny Moli Company hampahafantatra ny vokatra sy ny toerana niaviany ary ny tantsaha mamokatra azy. Be mpankafy eto an-toerana sy any […]
Distrikan’Ambohidratrimo : nohazavaina ny asam-panjakana eny ifotony
Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Ivato ny fitsidihana ifotony mitety ireo kaominina ataon’ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, Raharijaona Andoniaina. Kaominina faha-21 tamin’ireo 24 tsy maintsy tsidihina ny ao Ivato. Araka ny lalàna 2024-21 dia tsy maintsy manao ny fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny distrika. Fampitana amin’ny vahoaka ny lalàna misy […]
Dr Razafimahefa Julien : « Aretina tsy mety sitranina ny Alzheimer”
Iray volan’ny Alzheimer izao. Nampahafantatra ny momba izany aretina izany ny neurologue eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), Razafimahefa Julien. Fahasimban’ny sela anatin’ny atidoha antsoina hoe «neurone» no mahatonga ny olona mihavery fitadidiana tsikelikely. «Lasa miankin-doha amin’ny manodidina azy ilay marary amin’ny andavanandrom-piainany», hoy ny neurologue, Razafimahefa Julien, ao amin’ny CHUJRB. […]
Fiatrehana fifidianana: mitohy ny asan’ny iraky ny ONU
Nandray avy hatrany ny iraky ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’i Parfait Onanga Anyanga, tetsy Ampandrana, ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly. Tafiditra amin’ny fiomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana izany. Naharitra ora iray mahery ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary tsy nisy nipika ny dinika sady tsy […]




