Taratra

Basikety 3×3-“World Tour”: hisolontena ny Malagasy ireo nanao JIOI

Hatao any Shanghai, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny “World Tour”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny ekipa “Anta­nanarivo”. Tohin’ny fifaninanana natao tany Wuxi, tamin’ny tapak’ity taona 2023 ity moa izao lalao “World Tour” izao ary noho ny vokatra azon’ny ekipa malagasy […]

Fifidianana filohan’ny FMF: fantatra avokoa ny laharan’ireo kandidà

Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina. Tontosa omaly, teny Iso­raka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny ba­o­lina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao […]

Tetikasa Picas1 : fampandrosoana ny fambolena any Androy sy Anosy

Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany. Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mi­tentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, […]

Tetikasa TNTs : mamaly ny hetahetan’ny mponina eto Antananarivo

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny tetikasa «Territoire Numérique en Transition» (TNTs). Notante­rahana tetsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely ny lalonana nanombohana izany. Vatsian’ny Afd vola ny tetikasa ary nanombohana izany ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra. Hisitraka voalohany, araka izany, ny mponin’An­tananarivo satria mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny fitaovana. Toy ny […]

CUA-Polisy monisipaly: mankalaza ny faha-23 taona nijoroany

Orimbato najoro etsy Ankasina. Io no nentin’ny Polisy monisipaly nanamarika ny faha-23 taona nijoroany, omaly. Nanatrika ny fotoam-pankalazana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nankalazaina omaly ny faha-23 taona nijoroan’ny Vondrona polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Izay tarihin’ny lehiben’ny vondrona, ny Commissaire Ostrom Whenss. Ho fanamarihana izany, nanolotra orimbato ho […]