Taratra

Tetikasa Produir : trano vaovao 29 ahitana fonenana 87 haorina eny Andavamamba

Napetraka, omaly 26 septambra, ny vato fototra voalohany fanorenana tanàna vaovao eny amin’ny fokontany Andavamamba. Miisa 29 ny trano haorina, ahitana fonenana 87, ho an’ny fianakaviana sahirana sy marefo.. Mizara roa lehibe ny tetikasa Produir eto An­tananarivo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Voalohany, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo sady sahirana […]

Hetsika iarahana amin’ny BNI : nizara traikefa i Andry Rajoelina

Nikarakara hetsika lehibe ny eo anivon’ny Banky BNI omaly, tetsy Ambodivona. Nanasan’izy ireo ny tanora mendrika indrindra teo amin’ny fandraharahana tao ana­tin’ny taona maro izany. Ani­san’ny voaasa tamin’izao fi­haonana izao ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fihaonan’ireo tanora rehetra mendrika sy nahomby teo […]

MDN : nandray manam­boninahitra frantsay

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe, ny filohan’ny fikambanana SMLH na « Société des membres de la légion d’honneur », ny Amiraly Alain Coldefy. Nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika frantsay izy nandritra ny fotoam-piasany. Nandrafitra ny delegasiona notarihiny ny tomponandraikitry ny fiarovana eo […]

Fikaroham-bahaolana notarihin’ny FFKM: tsy anisan’ireo nandray anjara ny kandidà n°3

Notanterahina, omaly, tetsy Ampandrana ny fampihaonan’ny FFKM ireo kandidà miisa 13. Nitondra fanazavana momba ny tsy fandraisana anjara, ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Nambaran’ny solonte­nan’ny kandidà Rajoe­lina Andry, tamin’ny ala­lan’Andriamananoro Au­gus­tin, fa efa tao anaty laminasa amin’izao dinika fikaroham-bahaolana izao ny fahafahana mandefa solontena amin’ny fampihaonan’ny FFKM. Niditra minitra […]

Tsipy kanetibe : hotolorana 2 tapitrisa Ar ny tompondaka

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, teto Madaga­sikara, tsy miandry ela fa mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM). Hiditra amin’ny fanatontosana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara indray izy ireo, amin’ity. Fihao­nana hatao mandritra ny hateloana, ny 29 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra ho avy izao, eny amin’ny kianja PAC […]