Hanomboka rahampitso ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra tanterahin’ireo hopitalim-panjakana rehetra tsy an-kanavahana manerana ny Nosy. Fisokafana amin’ny rehetra, ahafahana misitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany. Ankoatra izany, ny fandidiana “hernie” ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Eo koa, ny fandidiana ireo manana fahasembanana amin’ny molotra na sima. […]
Taratra
tanàna orange faha-29 : nahazo fotodrafitrasa sosialy maro Antsahafilo
4 000 ny mponina ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Sady nahazo fotodrafitrasa sosialy vaovao no nisitraka ny fanabeazana nomerika ny kilonga hirondra fivoarana ho an’ny fokontany efatra ao aminy. 140 taona aty aoriana vao noravana tanteraka ary nosoloina vaovao ny EPP ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Vokatry ny haratsin’ny fotodrafitrasa, […]
TARATRY ny KANTO
« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]
Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana
Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Analakely, ny varotra fampirantiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Randrianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mikarakara ny hetsika. Maimaimpoana […]
« Jôkôsô- Festival du rire » : hetsika ho an’ny hatsikana malagasy
Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eto Antananarivo ny « Jôkôsô- Festival du rire » andiany fahatelo. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny fiaraha-mifaly sy fitondrana fanampiana ho […]




