Taratra

Andavamamba : hatsangana ny toeram-ponenana vaovao

Hotanterahina anio ny fametrahana ny vatofototry ny toeram-ponenana vaovao eny Andavamamba. Iarahana amin’ny tetikasa “Produir” sy ny Agetipa, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny asa. Amin’io ihany koa no hampahafantarana ny endriky ny toeram-ponenana haorina eny an-toerana. Ankoatra izany ny fisian’ny tranoheva fampahafantarana ny tetikasa […]

Mpiadina mendrika tamin’ny CEPE 2023 : notoloran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fanomezana

Tsy nanadino ireo mpianatra nisongadina ka nahazo salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Toy ny efa fanaon’ny kaominina isan-taona, no­tanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fiarahabana sy ny fankasitrahana ireo ankizy mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 teo anivon’ny boriborintany enina eto an-dRe­nivohitra. Notoloran’ny […]

Ankazobe: Karatany 12 000 sy bokin-tany 282 nozaraina

Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Anka­zobe, omaly. Hetsika notarihin’ny mi­nisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Kara­tany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive […]

FCCIM: nandray ny fitantanana ny filoha vaovao

Hitondra sy hitantana ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) ny filoha vaovao, Laou Pou Wilfrid. Nafindran’ny filoha teo aloha, Viviane Dewa tamin’ny mpandimby azy Laou Pou Wilfrid ny fitantanana ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara. Hetsika natao tetsy amin’ny biraon’ny FCCIM Antanimena, ny zoma […]