Mifampiankina amin’ny fambolena fary ny famokarana siramamy eto amintsika. Seha-pihariana mbola malalaka sy azo itadiavana lalam-barotra ary ahitam-bokatra maro ny siramamy. Mbola ambany ny taham-pamokarana siramamy eto amintsika noho ireo fepetra maro samihafa takina amin’ny fambolena fary sy ny famokarana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny foibe malagasy […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Hanafatra fitaovana fitiliana ny Laboaratoaram-pirenena mikasika ny fizahana ara-pahasalaman’ny biby (LNDV). Hiantohan’ny fanjakana foibe ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana mahakasika izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena mikasika ny angovo atomika (AIEA) ity fanafarana fitaovana ity. Nanolotra sambo haingam-pandeha roa ho an’ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP) […]
Kolonely Damasy Gervais: laharam-pahamehan’ny ACM ny antoka sy ny aroloza
Voatendry ho tale jeneraly (DG) ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka ho an’ny sivily (ACM), ny kolonely Damasy Gervais, ny volana febroary 2023 teo. Nambarany fa tao anatin’izay enim-bolana izay, anisan’ny fanamby napetraka ny hanaovana laharam-pahamehana ny fametrahana antoka ny fitaterana ana habakabaka, miampy ny fanatsarana ny aroloza. Eo […]
Tetikasa Efaho: Tonga ny fantsombe hitatitra ny rano avy any Taolagnaro hatrany Ambovombe
Miisa 1 000 ny andiany voalohany amin’ny fantsombe ilaina amin’ny famatsian-drano avy amin’ny reniranon’i Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fitambarany hatrany Ambovombe, hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any atsimo. Mandeha ny asa fanamboarana ny fantson-drano miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe, ao anatin’ny tetikasa “Pipeline Efaho”. Nigadona ao amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Tsenaben’ny Boky. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andriampamaky, ny hetsika «Tsenaben’ny Boky» andiany faharoa. Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika noho ny fahavitrihan’ny mponina tany an-toerana niatrika izany. Teo ihany koa ny fanotronan’ireo Oloben’ny fanoratana malagasy, sahala amin’i Michèle Rakotoson. « Rhapsodie Picturale ». Andro vitsy sisa no ahitana […]




