Taratra

Taksiborosy voatafika: 3 tapitrisa ar voatifitra, olona telo naratra

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Bebao Tsiroanomandidy, RN1, omaly maraina. Taksiborosy roa sy kamiaobe no indray voatafika. Olona telo naratra mafy, lasa ny vola 3 tapitrisa Ar mahery. Dahalo enin-dahy nitondra basy no tompon’antoka tamina fanafihana taksiborosy roa sy kamiaobe iray tao Tsiroanomandidy. Taksiborosy avy amina kaoperativa roa manao fitaterana mihazo […]

Kitra – Fifidianana eo anivon’ny FMF : hivoaka amin’ny talata izao ny kandidà ofisialy

Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra, ny alatsinainy lasa teo fa mbola eo am-pandinihina ny lisitr’ireo kandidà nandro­tsaka ny taratasy filatsahan-kofidina ho komity mpitantana sy ny ho filohan’ny federasiona (FMF), izy ireo ankehitriny. Hivoaka ny talata 26 septambra ho avy izao, ny lisitr’ […]

SOMBIM-BAOVAO

Basikety, fantatra tamin’ity herinandro ity ireo mpanazatra malagasy afaka tamin’ilay fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Naoufal Uariahi, ny volana jolay lasa teo. Fiofanana tohanan’ny « World Association Basketball Coaches» (WABC), notontosaina teto Madagasikara. Mpanazatra 11 mianadahy no afaka tamin’ity fiofanana “Niveau 1” ity. Razafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Nalaza […]

FIBA YOUTH CAMP : tafiditra anatin’ny All Star 5 i A’Ranty

Nifarana omaly 22 septambra ny fiofanana “Fiba Regional Youth Camp”, taranja basikety, notontosaina tany Bamako Mali. Taorian’ny lalao natao, tafiditra ao anatin’ny All Star 5, ny mpilalao malagasy, Rasetriarivony A’Ranty. Izany hoe, mpilalao 5 mendrika indrindra izy, izay nahazo ny fandresena tao anatin’ny “Team Grey”, niaraka tamin’ireo mpilalao afrikanina 4, […]

Kitra –“D2 National” : hiady tanteraka ny lalao rahampitso

Araka ny vokatra teo amin’ny andro fahefatra izay natao omaly, mbola sarotra fantarina ireo ekipa tafita hiakatra amin’ny dingana manaraka. . Notontosaina tany Maha­janga sy Antsirabe, omaly 22 septambra ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Hatramin’ izao, mbola ady sarotra ny hamaritana ireo ekipa roa isam-bondrona tafita […]