Taratra

Jly Rakotoarijaona Josoa : « Aoka samy haneho fitiavan-tanindrazana»

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana , omaly. Nitondra hafatra mafonja ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. « Izany no andrandraina isan’andro eto Madagasikara ka anaovana antso avo ho an’ny fitoniana amin’ny lafiny rehetra. Manana adidy sy andraikitra voalohany amin’izany ny Foloalindahy, ka tsy sasatra mamerina hoe : aoka samy hitandro […]

Fiatrehana ny fifidianana : mpanao gazety 35 nisitraka fampiofanana

Mpanao gazety 35 avy amin’ny haino vaky jery eto an-drenivo­hitra sy avy amin’ny faritra nisitraka fampiofanana manokana hiatrehana ny fifidia­nana tetsy Ankerana, ny 19 septambra hatramin’ny 22 septambra teo. Hisorohana ny firongatry ny fanelezam-baovao tsy marina aloha sy mandritra ary aorian’ny fotoam-pifidianana, nofanina mano­kana hampita ny vaovao marina sy feno […]

Fitsarana ara-bola: manara-maso akaiky i Etazonia

Manamafy ny fanaraha-maso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Solosaina miisa 48 ho an’ireo biraon’ny fitsarana ara-bola eto Madagasikara no natolotry ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID, hanatanterahana izany. Hanamafy ny fahafahan’ireo fitsarana ara-bola hanatsara ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fahombiazan’ny fitantanam-bolam-panjakana ireo fitaovana natolotra. Ity no fampitaovana fanindroany nataon’ny […]

Caravane humanitaire – Ampanihy : fianakaviana 500 nizarana sakafo

Nahazo rotsakorana ihany ny faritra Atsimo Andrefan’ i Madagasikara nandritra ny rivodoza Freddy, saingy na­mely ny nofontany ny hafanana be ka tsy araka ny tombana noeritreretina ny vokatra. Ny fambolena vomanga no nahomby tany an-toerana. Amin’izao fotoana izao, mihamafy ny hafanana ka mety hisy fiantraikany amin’ny se­ha-piharian’ny mponina in­dray. Noho […]

Fampianarana: talen-tsekoly 2 742 nisitraka smartphone

Talen-tsekoly miisa 2 742 no hisitraka smartphone na finday avo lenta noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ilay tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB). Mitotaly 4 600 ireo talen-tsekoly nahavita fiofanana niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana […]