Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 336 933 833 Ar ny famatsiam-bola ataon’ny tetikasa « fihariana » amin’ny fampiroboroboana hanohanana ny tetikasa mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fampiofanana arakasa hatramin’ny taona 2019. Misy ny miompana amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana fototra, ny fampianarana manokana ho an’ireo ankizy sy tanora manana fahasembanana, ny fampiofanana samihafa toy ny fambolena sy […]
Tetikasa Aintsoa : tokantrano 800 hivoatra ara-pambolena
Anisan’ny paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Antananarivo ny fambolena an- drenivohitra. Mandray anjara amin’izany ny ataon’ny ONG Gret ao anatin’ny tetikasa « Aintsoa », vatsian’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana, AFD, ara-bola. Natolotra omaly zoma 22 septambra ny fitaovana sy kojakoja ara-pambolena maro ho an’ny mpamokatra eto an-tanàn-dehibe, toy ny moto, […]
Fandaharanasa Sunref : Entanina ny orinasa hifantoka amin’ny tontolo iainana
Fandaharanasa manome sy mampirisika ny orinasa tsy miankina hamorona tetikasa mifantoka amin’ny tontolo iainana ny Sunref. Misy ny tantsoroka hatao azy ireny amin’ny lafiny findramam-bola hanamorana ny fanatanterahana ny tetikasany. Natao teto Antananarivo ny 21 septambra teo ny atrikasa ao anatin’ny fandaharanasa Sunref. Mamolavola azy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny […]
Fihaonana IDDA III : mampandroso ny firenena ny fananàny indostria
Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika (IDDA III) andiany faha-enina ao anatin’ ny fivoriambe faha-78 ho an’ ny firenena mikambana atao any New York omaly, i Madagasikara. Nisolo tena ny firenena malagasy ny minisitry ny fampiroboroboina ny indostria sy ny varotra ary ny fanjakana, […]




