Taratra

ONG Ilontsera sy ONG Studio Sifaka: hampiofanina ireo mpanao gazety ho voaaro amin’ny asany

Nampahafantarina omaly, teny Andraharo, ny tetikasa “Manda” tanterahin’ny studio Sifaka sy ny tetikasa Mahaloke, tanterahin’ny Ilontsera, samy tohanan’ny Unesco. Samy miompana amin’ny fiarovana ny mpanao gazety mandritra ny asa fitrandrahana vaovao amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ny tetikasa “Manda” sy “Mahaaloke”. Ny tetikasa “Mahaaloke” tanterahin’ny ONG Ilontsera dia hampahalala ny mpanao […]

INDRAY MIJERY

Nafampana ny andro amin’ny ilany andrefan’ny Nosy, omaly, fa hidina tsikelikely ny maripana ambony indrindra any amin’ny ilany atsinanana ary saika hiitatra manerana ny Nosy anio sy rahampitso. Mila malina hatrany ny eny an-dranomasina na tsy misy aza ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano. Vita, nandritra ny telo andro, […]

Vokatry ny fiakaran’ny ranomasina: 244 ireo traboina ao Saint Augustin

Niakatra ny ranomasina tao amin’ny kaominina Saint Augustin, distrikan’i Toliara II. Araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Toliara II, voaray teny anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), namela takaitra ho an’ny mponina sy ny fihariany izany. Trano 141 simba sy dobo rano, 30 koa ny lakana […]

Fangatahana ny tanin’ny Cnarp : hitondra ny raharaha eny anivon’ ny fitsarana ny tomponandraikitra

Nanao fanambarana ireo mpikaroka mivondrona ao amin’ny ACE fa manimba ny fikarohana ny fangatahan’ny olon-tsotra ny tanin’ny Cnarp eny Ambodivoanjo Ambojihatovo. Mpianatra an-jatony isan-taona koa no manatontosa fanadihadiana sy fikarohana amin’ilay velarana misy ny fambolena zava-maniry. Mivoatra ny raharaha fangatahan’ny olon-tsotra ny tany mirefy 9 000 m toradroa an’ny Ivontoerana […]

TARATRY ny KANTO

“Slam nationale 14”. Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, anio tolakandro, ny lanonana fanokafana ny «Slam nationale 14». Raha tsiahivina, efa tontosa omaly ny “Slam partout”, diabe niainga teo amin’ny IFM Analakely hatreny amin’ny Oniversite Ankatso, nitohy tamin’ny “Slam à l’U” natao tao amin’ny ADMC CRAAM Ankatso. Ivokolo Analakely. Hanafana ny […]