Taratra

Cash point voatafika : polisy sy dokera iray voatifitry ny jiolahy teny Ampasampito

Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy teny Ampasampito omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 30 mn. Cash point iray voatafika. Naratra ny dokera iray sy ny polisy iray raha nikasa hamonjy ilay renim-pianakaviana notafihan’ny jiolahy… Jiolahy roa nitondra basy mahery vaika no nanafika tao amina Cash point iray eny Ampasampito, omaly […]

TSELATRA

Tapa-bolana mahery aty aoriana, hita tao An­tsiafabositra ilay mpiasan’ny BNGRC nifampitadiavana teny amin’iny RN4 mihazo an’i Maha­janga. Teny Mahatsinjo no hitan’ny olona ny fiara nentiny. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ ny zandary fa hoe nisy naka an-keriny. Nentin’ireo mpaka an-keriny mifindrafindra toerana hatrany izy, raha ny filazany. Misy mampiasa […]

TARANJA Atletisma : mety hihemotra ny “Mada jeunes” sy ny «Marathon»

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny “Mada jeunes” sy ny “Marathon” sisa ny fandaharam-potoana tsy tontosa ho an’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ary mamarana ny taom-pilalaovana 2023. Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny ho fisian’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Mada­gasikara, mety tsy hisy izany […]

SOMBIM-BAOVAO

Karate. Hotanterahina rahampitso 23 sy ny alahady 24 septambra izao ny fifaninanana « Challengea du Betsileo » andiany faharoa, taranja karate. Ao amin’ ny kianja mitafon’Ambatomena Fianarantsoa no ha­naovana ity fifaninanana ity, karakarain’ny ligin’ny karate-do Matsiatra Ambony, eo ambany fiahian’ny federasiona karate-do malagasy (FKM). Kick-Boxing. Raikitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany […]

Basikety-N1A : hatao ny 19 hatramin’ ny 29 oktobra

Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]