Hotanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana «Beatbox Battle Madagascar» andiany fahadimy. Sokajy telo no hifaninanana mandritra izany : «Tag team» sy «Solo» ary «Improv Battle». Mitotaly 12 no isan’ny mpifaninana, ankoatra ny amin’ny “Improv’Battle”. Hampiavaka ny hetsika ny fihaonana an-tsehatra eo amin’ireo […]
Taratra
IFM Analakely: hizara ny traikefany i Nicolas Séguy
Frantsay mpahay kanto manana ny maha izy azy i Nicolas Séguy. Hanatanteraka fampisehoana sy atrikasa maro izy mandritra ny fandalovany eto Madagasikara, ao anatin’ny “Slam nationale 14”. Raha tsiahivina, Nicolas Séguy no vahinin’ity hetsika goavana eo amin’ny tontolon’ny “Slam” ity. Anisan’ny hampiavaka ity “Slam nationale 14” ity ny fandraisan’anjaran’i Nicolas […]
« Festival International Madajazzcar » : mpanakanto maro no hanafana ny hetsika
Zary lasa fanao isaky ny volana oktobra, isan-taona, ny « Festival International Madajazzcar”. Ankoatra ny mozika, mirakitra soatoavina ihany koa ny Jazz. Fifaliana sy fifampizarana ao anatin’ny firahalahiana, araka izany, no handravaka ity hetsika ity. Tanterahina eto Antananarivo sy Antsirabe ary Nosy-Be ary Ampefy, manomboka ny 5 oktobra hatramin’ny 15 […]
Mahavimbina Alain: « Zava-dehibe ny tsy fivadibadihana »
Anisan’ny nanotrona ny fampahafantarana ny vovonana UPAR, teny amin’ny CCI Ivato, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, tamin’ny andron’ny Tetezamita, Mahavimbina Alain. Anisan’ireo tsy nivadika tamin’ny filoha Rajoelina Andry rahateo izy taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany. « 11 taona aho tsy nitazona toerana tamin’ny fitondram-panjakana. Niezaka ny tsy hivadika tamin’ny foto-kevitra politika aho. […]
“Union pro Andry Rajoelina – Upar” : hampandany ny kandidà n°3
Nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ny fijoroan’ny Vondron’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina “Union pro Andry Rajoelina – Upar”. Naneho fahavononana sy resy lahatra ny hampandany ny kandidà laharana fahatelo izy ireo amin’ny fifidianana. Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ny hanohizana ny ezaka efa vita sy ny hanitsiana ny lesoka ary […]




