Toa ny seha-kanto rehetra, ahitam-pivoarana ihany koa ny hatsikana. Voaporofo izany nandritra ny « Amour Rire » andiany fahatelo, notontosaina omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Mbola eo ireo zokibe amin’ny hatsikana, toa an’i Francis Turbo, Rajao ary i Honorat, izay vao jerena fotsiny dia mampihomehy ny mpijery. Ry zareo no nahazo taona, […]
Taratra
“Tena matotra” : Mbola tompon’ny fampisehoana i Njakatiana!
Ora telo mahery, nanehoan’i Njakatiana indray fa voafehiny tanteraka ny sehatra. Ireo mpankafy rahateo no nandahatra ireo hira, izay saika niaraha-niredona hatramin’ny farany. “Tsaroanao ve ilay fiarahantsika?” Hoy ny fanontaniana napetrak’i Njakatiana, tao anatin’ilay hirany “Meteza hahatsiaro”. Misy antony tokoa matoa ity hira ity no nosafidiany nanokafana ny fampisehoana tetsy […]
FANTINA sy FINTINA
Hanomboka hitsara ireo fifanolanana ara-pifidianana ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny fiandohan’ny volana marsa izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola mandray ny fitoriana izy ireo hatramin’izao. Maherin’ny 20 izao ireo fitarainana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamboarana izany ho an’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny […]
Fampandrosoana eny ifotony: Nakana hevitra ny drafitra fanajariana
Notanterahina tetsy Anosy, tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana fakan-kevitra. Tafiditra ao anatin’ny famolavolana ny Drafitra ifotony ho fanajariana ny Tany (Dift) izany. Miisa valo ireo toerana sy kaominina misitraka izany any amin’ny faritra Androy. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina […]
Fahantrana… mampandroso
Ny fahasahiranana na ny fahantrana lalina sy maharitra ve no anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato amin’izao? Tonga hatramin’ny hala-boty etsy sy eroa amin’ny faritra sasany. Misy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Na ny fianakaviana ihany no anaovana fakana an-keriny na takalon’aina […]