Notolorana ny mariboninahitry ny kanto i Nônô. Ny « Commandeur de l’ordre des arts, des lettres et de la culture » izay fara-tampony amin’izany no nomen’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony O’gascar Fenosoa an’ity andrarezin’ny kanto ity, omaly tolakandro. Hotontosaina etsy amin’ny CGM/GZ Analakely, anio, manomboka amin’ny 10 ora tolakandro, […]
Taratra
Festival Jôkôsô: haneho ny talentany ireo sangany amin’ny hatsikana
Hiaraka haneho ny talentany mandritra ny “Festival Jôkôsô” ireo mpanakanto amin’ny hatsikana sy fampihomehezana efa matihanina sy andrarezina. Fa eo koa ireo tanora vao misondrotra nefa tsy mena-mitaha amin’ny hafa. Tsy lany olona manan-talenta i Madagasikara. Hatao ny 18 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao, eto Antananarivo sy Toamasina, ny […]
Vaovao tambatra
Mihoatra ny 100 dolara ny vidin’ny barila amin’ny Brent amin’izao fotoana, noho ny fihenjanana any Moyen-Orient sy ny fahatapahan-draharaha eo amin’ny fitaterana an-dranomasina. Sambany, hatramin’ny volana jolay, no nisian’ny fiakarana toy izao ka mampanahy sahady ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe lehibe momba ny tahan-janabola […]
EITI: omena lanja ny Fiarahamonim-pirenena
Namita iraka teto Madagasikara, ny 7 – 11 septambra teo, ny delegasionina avy ao amin’ny Rafitra finiavana hametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy (EITI). Delegasionina nahitana ny lehiben’ny iraka ara-politika EITI, Khamal Clayton, ny mpanolotsaina ho an’i Afrika miteny frantsay, Rakotoseheno Solofo, ary i Papa Alioune Badara […]
Toekarena manga: hanohana an’i Madagasikara ny FAO
Mikendry ny hampiroborobo ny jono sy ny sehatry ny toekarena manga i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny FAO. Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny FAO ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Pr Maharavo Jean, nandritra ny andro fahatelo, fivorian’ny Cofi 37, natao tao Roma, Italia, ny 9 septambra teo. Nifantoka […]




