Taratra

Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika: Nanampy ny fikambanan’ ny mpanao gazety

Tonga mivantana, nitondra fanampiana, tamin’ny filohan’ny mpanao gazety ao Toamasina, i Sabotsy Aimé José (Sajo), ny sampana misahana ny asa sosialin’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Gen XYZ, rantsana Toamasina, tarihin-dRajaonary Sylvestre (Coco velogna). Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, kosa no nanolotra izany […]

Toamasina : Manampy hamerenana ny herinaratra ny Filatex Energy

Laharam-pahamehana ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Antoky ny fampihodinana ny sosialim-bahoaka sy ny fiharian’ny mponina tsirairay izany. Avokavoky ny toekaren’i Madagasikara ny ao Toa­masina. Manohy amin’ny fanarenana ny famatsiana herinaratra ao an-toerana ny orinasa Filatex Energy, taorian’ny fahasimban’ny toby famokarana mandeha amin’ny solika sy ny fikorontanan’ny tambajotra. Mitohy […]

Federasionina malagasin’ny baolina kitra: Mikarakara lalao ara-pirahalahiana hanohanana an’i Toamasina

Ho fanohanana ireo mpi­antsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’ny faritr’i Toamasina, ma­nomana lalao ara-pirahalahiana sy firaisankina ny Fe­derasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Fihaonana roa lehibe no handeha amin’io fotoana io. Ao anatin’izany ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus […]

“Basket Unity Game” : Nisongadina ny Malagasy

Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Anala­manga, taranja basikety, nitondra ny anarana “Basket Unity Game”. Nisongadina ny ekipa avy eto an-toerana raha ny vokatra omaly. Nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny AS Saint Michel nanoloana ny ekipan’ny Hammers avy atsy Maorisy. Isa 74 no ho 38 […]

“Cosafa Women’s Cup” : Nofaranan’i Mozambika ny dian’i Madagasikara

Ratsy ny vokatra azon’ny Barea Ladies, omaly, tany Afrika Atsimo. Niondrika teo anatrehan’i Mozam­bika, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny ekipantsika. Mangoron-damba ny Barea amin’ity Cosafa ity. Tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Barea, sokajy vehivavy, amin’ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i afri­ka, “Cosafa Women’s […]