Taratra

Miverina tsikelikely ny famatsian-drano: Vita ilay milina simba eny Mandroseza

Mampahafantatra ny besinimaro ny Jirama fa tontosa omaly alatsinainy, ny fanamboarana ny milina « électropompe » laharana faha-7, nam­pikorontana ny famatsian-drano tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana, saingy mila mandray fepetra ny mpanjifa. Alefa mandritra ny fotoana fohy ny paompin-drano sy ny « robinet », mandrapaha-madio azy, satria mety mbola […]

Fampandrosoana maharitra -ONU: Ny 15%-n’ireo tanjon’ny ODD monja no tratra

Tsy ho tratra ny tanjona miisa 17 napetraky ny Firenena mikambana, ho an’ny fampandrosoana maharitra maneran-tany (ODD). Tena voakasik’ izany ny firenena andalam-pandrosoana. Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, ny 19 hatramin’ny 23 septambra izao, ny tombana mahakasika ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana […]

TARATRY ny KANTO

« Slam nationale 14 ». Vonona avokoa ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny « Slam nationale 14 ». Nampahafantarin’ny mpikarakara omaly, tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. ADMC-CRAAM Ankatso, IFM Analakely, AFT Anda­vamamba no hanatanterahina ny hetsika, manomboka ny 21 septambra 2023 izao. “Atelier Hay”. Mitohy hatrany ny fampivelarana ny kilonga 12 hatramin’ny 15 taona, […]

« Opération Bokiko » : miditra amin’ny andiany faharoa ny “Tsenaben’ny boky”

Hotanterahina ny 22 sy 23 septambra 2023, eny An­driam­pamaky, ny hetsika “Tsenaben’ny boky”, andiany faharoa. Ny “Opération Bo­kiko” miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana maro samihafa manodidina ny vaky boky sy ny literatiora no handravaka ny roa andro hanaovana ny hetsika. Fana­tonana sy fampirisihana […]

Fakafaka: Ny todin’itsy, misy !

  Toa tsy mba afak’olana mihitsy i Madagasikara ? Marina izany, satria, maro loatra ny olana nambolena teto. Samy nanondraka sy nanisy zezika ireny olana ireny ireo namafy ny voa. Iray amin’izany ny Frantsay mpanjakazaka an-ta­nin’olona. Niteraka olana goavana be, ohatra, ny fanisihina tao an-tsain’ny Malagasy fa « vanim-potoana maizina no nodiavin’ny […]