Miroso amin’ny fanatanterahana ny dingana rehetra ilaina amin’ny fifidianana ny Ceni. Nihaona tamin’ny solontenan’ny kandidà izy ireo, omaly. «Ampirisihinay ny hahitan’ireo kandidà vahaolana amin’ny lafiny politika», hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana. Tsy sakana amin’ny fikarakarana fifidianana ny adihevitra politika. “Sarotiny izahay […]
Taratra
TSELATRA
Naiditra am-ponja afakomaly ireo jiolahy tratra nanendaka tao Toamasina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tao Bazaribe no nahitana azy roa lahy ireto somary hafahafa fihetsika. Nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ny polisy. Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra […]
RN2: olona telo nitondra hazo sarobidy voasambotra
Tompon-kazo roa sy mpamily fiara iray voasambotry ny zandary mpanao fisafoana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Ambatolaona, PK 58, afakomaly maraina. Nanao fisavana tampoka ny fiara sprinter mpitatitra entana ny mpitandro filaminana. Nitondra hazo an-jatony ny fiara ka nanamarina ny karazan’ izany sy ny taratasy nifandraika aminy ireto farany. Voamarina […]
Mandroseza : mpitondra moto voahitsaky ny fiara 4×4
Naratra mafy ilay mpitondra moto voahitsaky ny fiara tsy mifidy lalana teny Mandroseza, omaly maraina. Roa lahy samy nandeha moto no nifanenjika sy nifampisongona. Nampiaiky ny olona rehetra izy roa lahy nifanenjika tamin’ny moto ireto. Nianjera tampoka anefa ny iray ka notetezin’ny fiara avy aoriana. Tsy vitan’izay fa mbola voatarika […]
Fitaterana an-dranomasina : dimy mianaka maty an-drano
Maty vokatry ny loza an-dranomasina, omaly, ny olona dimy mianaka. Tsy nahatohitra ny tso-drivotra mahery ny botry ka saika nivadika. Vokany, nisy ny mpandeha latsaka an-drano. Zazalahy iray sy vehivavy efatra maty vokatry ny faharendrehan’ny botry tao amin’ny vavaranon’i Betania ao Morondava, omaly tamin’ny 5 ora hariva. “Mampitohy an’i Maintirano […]




