Faritra anisan’ny mamokatra voatabia hatrany amin’ny 25 770t isan-taona Mahitsy, distrika Ambohidratrimo. Antony nametrahana milina fanodinam-bokatra ao an-toerana, tamin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy “one district one factory” (Odof). Tonga tany an-toerana nitondra izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny zoma teo. […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 541 303 710,64 Ar ny famatsiam-bola nataon’ny tetikasa “Fihariana” tamina faritra 19 sy distrika 42 manerana ny Nosy, enti-manatsara sy mampitombo ny fiompiana akoho gasy, karazan-kena anisan’ny be mpitady sy maro mpanjifa eto Madagasikara ny akoho gasy. Hisokatra ho an’ny tantsaha mpamboly kakao ao Ambanja ny lalam-barotra mankany amin’ny […]
Tetikasa « Volobe Amont » : hivelatra amina tany 2 000ha
Hampiasa tany ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano (centrale hydroélectrique) manana tanjaka 120MW, ny tetikasa «Volobe Amont». Hanao izany ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Mitotaly 2 000ha ny velaran-tany ilain’ny tetikasa ka tanim-panjakana ny ampahan’izany. Hiasa mandritra ny dimy taona ny CGHV amin’ny fananganana […]
hatolotra ny antenimiera : nivoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika
Voarafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny angovo azo avaozina miompana amin’ny akora biolojika. Hodinihina eny anivon’ny antenimiera roa tonta izany mandritra ny fivoriana ara-potoana hatao tsy ho ela. Miompana amina teboka maromaro ny volavolan-dalàna mifehy ny angovo avy amin’ny akora biolojika (bioénergie) taorian’ny atrikasa sy fakan-kevitra natao tetsy amin’ny Le Pavé […]
Antoko Hiaraka Isika : “Aoka ho halavirina ny fifampihantsiana”
Manoloana ny raharaham-pirenena, mizara ny heviny ny antoko Hiaraka Isika, tarihin’ny filoha nasionaliny, Vital Albert Camille. “Miantoka ny fiainam-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy sy izay manaraka ny fifidianana”, raha ny fanambarana nataon’ny antoko Hiaraka Isika (AHI), omaly. Efa nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ireo kandidà13 nahafeno fepetra […]




